Tena afaka sy mahaleo tena ve i Madagasikara ? Tena tia tanindrazana ve ny mpitondra sy ny entina ? Dia asa aloha, fa raha ny sary mitranga ankehitriny, dia vao mainka miha latsaka tanteraka ao anaty gadran’ny fahasahiranana sy ny lavaka mangitsikitsoky ny fahantrana isika. Mety betsaka no hiteny hoe : efa fandre foana izany, saingy tena mitombo andro aman’alina ny fahorian’ny Malagasy. Vao andro vitsy izao dia efa nambara ny ambana fa hiakatra ny solika noho ny fepetran’ny mpamatsy vola. Ny Tahirim-bola iraisam-pirenena no mametraka sori-dàlana fa tsy maintsy izao sy izao no ataonareo mba hisitrahana vola 660 tapitrisa dolara anatin’ny 5 taona, dia mirehareha ny mpitondra fa milamina ny famatsiam-bola ao anatin’izany. Ny harenan’ny Malagasy anefa na an-tanety na an-dranomasina tapitra voaroba na atao varoboba. Andao anie tsiahivina sy halaina sary an-tsaina kely hoe : i Madagasikara no isan’ny firenena manana fari-dranomasina mivelatra indrindra aty Afrika ankoatra ireo nosy manodidina efa nobodoin’ny Frantsay sy hodian’ny mpitondra « mitapy » ny fampanantenana poakaty 5 taona lasa izay fa hiverina mialohan’ny 26 jona. Manodidina ny 500 miliara dolara ny tsenan’ny hazandrano maneran-tany isan-taona. Raha ny 10%n’io no lasantsika moa mila izay 660 tapitrisa dolara anatin’ny 3 taona ve ? Mifandraika amin’ny toekarena hatrany, moa tsy taratry ny fitantanana ny firenena ve ny fahapotehan’ireo orinasam-panjakana reharehan’ny Malagasy toy ny Air Madagascar izay nalevina tanteraka hatramin’ny anarany ? Potika tanteraka fa anarana sisa mieloelo. Ny Jirama vizana sy banky ropitra ! Ny vazaha no antsoina hanarina an’ireny ankehitriny. Ny orinasa tsy miankina isan’ny mba reharehan’ny Malagasy izay tsy nodorana tamin’ny fanonganam-panjakana betsaka no vizana ao anatin’ny famolosana amin’ny alalan’ny hetra mihoampampana. Asa na mitsangatsangana fotsiny na mba maka lesona amin’ireny fivoahana any ivelany ireny, fa sarotiny amin’ny azy ny olona ary manampy ireo mpandraharaha ao aminy. Ny Amerikanina ohatra teo anatrehan’ny fitotonganan’ireo orinasa mpamokatra fiara toy ny General Motors, chevrolet,… noho ny fitobaky ny fiara Japone sy sinoa, dia ny Fanjakan’i Donald Trump mihitsy no namoaka 300 miliara dolara nanavotana an’ireo taona vitsy lasa. Dia mba aiza ny fiarovantsika ny antsika, moa tsy ny fiantsoana ny vahiny no mampirehareha ? Aiza ilay « patriotisme économique » ? Takonana amin’ny « show drones » sy afomanga dia samy miala ? Aleo tsy mihambo ho tia tanindrazana e !
Toky R
Kristianina ny atao hoe fahaterahan’ny mpamonjy na Krismasy.