airtel

Edito

20-août-2024

EDITO

Mitohy ny fanabadoana vahoaka !

Sample post image

Ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra aloha hatreto ny raharaham-pirenena !

20-août-2024

Ny mpitondra mbola lany andro amin’ny fikatsaham-boninahitra sy ny kajy politika manaraka, ny vahoaka mbola mitrongy vao homana ka ny hoanina androany tadiavina rahampitso. Samy manana ny manahirana azy satria toa mateti-piavy mihitsy ity fivoahana any ivelany ataon’ny Filoham-pirenena ity, hany ka ny asa miandry azy sy tokony hataony toa tsy misy mandeha amin’izay laoniny. Dia io efa 40 andro katroka tsy misy governemanta ara-dalàna mitsangana io, fa ny naha maika dia ny fandehanana nakany Afrika. Ekena fa fihaonana lehibe ho an’ireo Firenena mivondrona ao anatin’ny rafitra ara-toekarena sy ara-politika dia ny SADC fa moa tsy azo natsangana mihitsy ny governemanta mialohan’ireny ? Vita ny fifidianana Filoham-pirenensa sy fifidianana solombavambahoaka, dia hiditra amin’ny ben’ny tanàna indray. Efa iaraha-mahita foana, fa dia ny kajy hahazoana maro an’isa ao anatin’io indray aloha ny vain-dohan-draharahan’ny fitondrana. Ho avy indray ny tosika propagandy hakana fom-bahoaka, holalaovina ara-politika ny fanampiana fitserana avy amin’ny mpamatsy vola, hirehareha ho miasa sy manampy ny vahoaka, hizarazara jiron’akoho rehefa niara-nangina tamin’ny fahavitan’ny propagandy farany teo izany,… Toy izany hatrany ny fiainam-pirenena eto, tsy tena misy politikam-pirenena mazava hialana amin’ny fahantrana fa takonana amin’ny fanadalana saim-bahoaka ny olana ara-tsosialy sy ara-toekerana miha zava-doza eto. Dia mbola misy sahy miteny sy milaza ve fa mandroso i Madagasikara, miroso ny toekerana,… Dia izany ve no tsy mampihetsi-bolomaso ny mpitondra na efa tena zava-doza ny krizy ara-tsosialy eto ? Sao mba efa tafahoatra ilay fandranitana vahoaka e ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap