airtel

Edito

09-août-2023

Edito

Edito Raharaha ikambanana

Sample post image

Ity raharaha ity anie dia raharaha ikambanana, matoa tonga aty izahay hamitrana fihavanana!”,

09-août-2023

hoy ny hira fanevan-drizareo TAFO MIHAAVO na Tambazotran’ny fokonolona mitantana ny harena voajanahary, 10 taona lasa izay. “Raharaha ikambanana”, voambolana faran’izay niasa nandritry ny fotoana nitantanan’Itompokolahy kolonely Richard Ratsimandrava izany, indrindra, fony izy minisitry ny atitany nanomboka ny taona 1972 tanatin’ny fitondran’ny jeneraly Gabriel Ramanantsoa ary nikasany nametrahana ilay dradradradraina amin’izao fotoana izao hoe fitsinjaram-pahefana na ny marimarina kokoa fitsinjaram-bola, hoy ny kandida ho filoham-pirenena Tahina Razafinjoelina izay tao anatin’ny rafitra nantsoin’ity kolonely ity hoe “Fokonolona”. Ny an’ity kolonely antsoina hoe rain’ny fokonolona ity moa napetrany tamin’ny alalan’ny antsoina hoe “Vatoeka” na “Vaomieran’ny toekarena” izay notantanan’ny fokonolona isam-pokontany. Indrisy anefa fa rehefa namindran’ny jeneraly ny fahefany ny kolonely ny 5 febroary 1975, noho ny voalaza fa olam-panjakana tsy voavaha tamin’izany fotoana, dia maty nisy nitifitra ny 11 febroary 1975, 6 andro monja taty aoriana ny kolonely. 48 taona lasa izay. 48 taona aty aoriana, tsy mety tafapetraka ny tena atao hoe fitsinjaram-pahefana eto amin’ny firenena. Samy nilaza ho niezaka hanao laharam-pahamehana izany daholo izay mpitondra nifandimby nandritry ny fampielezan-keviny avy saingy mbola tsy teraka hatramin’izao Ambatobevohoka, hoy ny fitenintsika malagasy. Mivangongo eo amin’ny filoham-pirenena ny fahefana, hoy ny mpanakanto sady mpahaifiarahamonina, Dama, ny taona 2017. Hatramin’izao mbola tombanana ho eo amin’ny 90%n’ny fitsinjaram-bola no mijanona eto Antananarivo raha toa ka 10% monja no mandeha any amin’ny faritra. Nampanantenaina ny firosoana lalina amin’ny fikirakirana tekinolojia na hairaha vaovao izay efa tena isan’ny fanoitrana fampandrosoana amin’ireo firenen-dehibe toa an’i Chine sy Japon saingy ny eto amintsika na ny dika mitovina kara-panondro aza mbola mila hamarinina, hoy ilay mpanao politika iray izay. Mbola ilaharana koa ny manao kara-panondro sy ny mandray vatsim-bola samihafa ary taraiky lava mihitsy aza noho ny tsy fisian’izay mangaraharaha sy hafainganam-pandehan’ny raharaham-panjakana noho ny tsy tena fidirana tamin’izay fampiroboroboana ny fampiasana tekinolojia izay. Azo heverina ve ny hamadika ilay 90% sy 10% ho lasa 30% sy 70%? Miandry ny fahatongavan-tsainan’ny tsirairay indray fa raharaha ikambanana izy ity! Raharaham-pirenena!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap