airtel

Edito

06-juin-2024

Edito

Tsimbalivaly ara-politika…

Sample post image

Tsy misy raiki-pohy raikitra ny politika eto amintsika hoe : tsy maintsy izao na izao ny politika eto,

06-juin-2024

fa betsaka ny mety ho fivadihan-javatra, arakaraka ny tsio-drivotra politika. Azo heverina sy ampoizina ny zava-drehetra, toy hoe : ny mpiray latabatra anio mety ho mpifandrina rahampitso, ary ny mpifanandrina anio mety hifandamina rahampitso. Dia tahaka izany ihany koa ny hoe : ny mihevi-tena ho manana ny tanjaka tsy azo hozongozonina anio, mety hikoa ihany rahampitso. Tsy azo atao noho izany ny mirehareha sy mihevi-tena ho manana ny tanjaka sy tsy hanaiky ho diso mandrakizay na efa abaribaribarin’ny zava-misy aza fa tena efa aloam-bahoaka ny mpitondra na ny Fanjakana iray. Ny lesona no mila alaina hoe : firifiry no nampiseho hery sy nieritreritra tsy ho tratry ny aloka teto, fa taiza sy inona no niafarany ? Mbola ny didin’ny be sandry sy ny kajikajy maloto hahazoana fahefana miorina eo ambony fahalemena politika ve no heverina fa hampahomby ny fitantanana ? Ekena ihany koa fa mety handeha ny fifanarahana na « deal politique » noho ny tsindry na avy ato anatiny na iraisam-pirenena aoriana hanalefahana ny maripana politika ahiana hiteraka fipoahana ka raha toa ka ho tonga amin’izany ihany tokoa, nahoana no efa betsaka ny zavatra potika sy rava hifandamina ? Enga anie mba hisy ny tena fijerena ny tombotsoam-pirenena sy ny tombotsoam-bahoaka, fa tsy ny tombotsoan’ny mpanao politika, raha hizotra amin’io làlana io tokoa !
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap