talohan’ny 2019 no hitodihana, dia tsy tokony ho tahaka izao mihitsy toeran’i Madagasikara na ara-toekarena na ara-tsosialy. Tsy resaka tsangan’olona no tiana hahatongavana raha mampahatsiahy fa mba nety kokoa ny taloha mitaha an’izao : fiainana andavanandro, politika ara-toekerana, vidim-piainana, famokarana,… Azo antoka 100% tsy hisy Malagasy hisafidy sy haniry an’izao zavatra iainana izao, fa tena tratry ny tsy fidiny, miaina anaty fonjabe mitafo lanitra, migoka ny ngidin’ny tsy fahaiza-mitantana. Na inona na inona fanazavana sy fanadiovan-tena na sanatrian’ny vava mbola fanilihana ny tsy fahombiazana any amin’ny hafa, dia miharihary toy ny vay an-kandrina fa mikatso tanteraka ny firenena, kofona ny fitondrana, leo ny vahoaka ! Ny fifidianana rehetra nandeha nanaovana ny tsy fanao, nanjakan’ny hosoka, nanaovana amboletra mba handrombahana seza, saingy tsy mba arakarak’izany ny vokatra rehefa tonga amin’ilay seza sy fahefana. An’ny volomboasary 98% ny antenimierandoholona, azy ny maro an’isa ao Tsimbazaza, azy ny fahefana feno hanendry mpikamban’ny governemanta,… kanefa dia zary Fitondrana tsy maty hafoy, kanefa tsy velon-kantenaina no misy eto. Sady tsy hihira no tsy hanao tsianjery, kanefa mifikitra mafy eo amin’ny fitantanana ny Firenena. Zary lasa vondron’olona manao sorona sy takalon’aina no mandidy sy manapaka amin’ny hoavin’i Madagasikara hany ka na efa hita izao aza fa tsy mahatafavoaka baolina mbola minia mikiribiby ihany ! Asa rahoviana vao mba hanana fanetren-tena ka hiaiky fa tena leo an’izao ny Malagasy ?
Toky R
Ny andraikitra natao ho tanjon’ireo kandida tsirairay fotsiny no niova fa raha ny fomba fanao hita
ny fifidianana ben’ny tanàna isika manomboka anio. Vanim-potoana miavaka amin’ny