airtel

Edito

27-mai-2024

Efa mandrovi-tsihy !

Rahampitso amin’ny 6ora maraina no mifanarana tanteraka ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra,

Sample post image

izany hoe : naman’ny ora sisa isaina dia hifarana ny fotoana ahafahan’ireo kandida mandresy lahatra ny olom-pirenena.

27-mai-2024

Betsaka ny zava-nitranga tao roatokombolana mahery izay. Tokony ho nahafahan’ny olom-pirenena nanatsoaka lesona mikasika ny toetra amam-pihetsiky ny kandida tsirairay hoe : mendrika tena hisolo vava ny vahoaka tokoa ve sa hanao tohatra fiakarana azy ireo ? Amin’ny ankampobeny, nomena tombony ny kandidam-panjakana, nandeha ny setrasetra, fandikan-dalàna, fividianana vahoaka mivantana na ankolaka,… Betsaka ireo fitarainana sy fanamarihana toy ny fampiasana ny fahefam-panjakana sy fitaovam-panjakana ho fanomezana tombondahiny manokana ny kandidam-panjakana,… Mbola tsy vita ny fifidianana dia efa mandeha ny fitorohana, ary misy ny fiarovan-tena mandeha. Fatratra ny fiarovan-tena, ary sarotra sy tsy dia mampino loatra ny hahita ny mpitondra ankehitriny hiaiky fahadisoana izany, fa tonga amin’ilay fomba fiteny hoe : na haniry nify aza ny akoho? Tsy te hahalala ary tsy fitaratra amin’ny resaka fanjakana tan-dalàna izany hatrany amin’ny 15 taona lasa, antony lehibe iray nahapotika an’i Madagasikara. Mihevitra ho manana tombony amin’ny maha tompon’ny fahefana azy ny mpitondra amin’izao fifidianana izao, saingy arakaraka ny nahaela azy teo no nampitombo ny fahafantaran’ny Malagasy azy fa tsy izy ireto, nanao sarintsarina revolisionina hosoka nitera-doza ho an’ny firenena, milalao saim-bahoaka amin’ny serasera sy fampanantenana fa tsy hita izay vokatra, miharatsy ny tondro rehetra ara-toekarena sy ara-tsosialy,… Ny setrasetra politika sy ny fampiasana ny herin’ny vola, filalaovana ireo manam-basy, fanaovana fitaovana ny fahefam-pitsarana sy fahefana mpanao lalàna no hany tena ianteherana, fa raha izay tohana madio avy amin’ny vahoaka maro an’isa izany tena nofy sisa. Raha tena mahatoky valera ny fitondrana tsy hanao io fihetsiny manao izay fomba rehetra mamohehitra hahazoana ny maro an’isa io. Hita taratra ny haratsiam-panahy samihafa, ary efa manomboka tonga saina ny olona ! Dia mbola haverina foana fa na ho ela na ho haingana misy farany io, ary ny sary mitranga ankehitriny, dia toa tsy hery fa tahotra, efa manana endrika mandrovi-tsihy !?
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap