airtel

Edito

04-juin-2024

Efa tsy hiova intsony io !

Sarotra ny hino sy hanantena fa ity fitondrana ankehitriny ity no hiova famindra !

Sample post image

Toa manantena ny hitsanganan’ny maty any am-pasana, raha hanantena fa hanaiky ho diso,

04-juin-2024

rehefa tarafina amin’ny fomba fanaovany politika izay miha mitotongana hatrany. Mitombo andro aman’alina ny hadisoana politika, ny fanjakana tsy tan-dalàna, ny tsy fahamarinana, fanjakazakana,… Dia io iaraha-mahita amin’ny raharaham-pifidianana io. Tsy misy tsy refesin’ny fitondrana ankehitriny izay manohitohina ny tiany hatao. Sarontsaronany ao anaty fifidianana feno lonilony ny fikatsahana depiote maro an’isa mba hilazana fa marin-toerana ny fitondrana. Dia io iaraha-mahita io anefa ankehitriny, fa miha mikatona ny rohim-pifandraisana amin’ireo mpiara-miombon’antoka mahazatra, dia io fa may atsy may aroa, ka rehefa avy niserasera tamin’ny arabo, dia miditra amin’ny Asiatika indray satria raha ny fantatra dia any Korea Atsimo ny Filoham-pirenena. Tsy misy maharatsy ny diplaomasia misokatra, saingy ny toa iniana aderadera dia ny hoe : io ary izahay fa mahita làlan-kafa ary tsy mitamby aminareo rehefa tratry ny vely kanota noho ny tsy fanjariana ara-pitantanana samihafa. Tsy azo hoentina amin’ny mokon-doha tahaka ny fanaovana politika eto io, ary tena mila fahendrena ny fitantanana firenena. Ny mahery tsy maody hono tsy ela velona, ary misy fepetrany ihany ny fahefana, ka arakaraka ny maha ela an’io no mampihena ny taham-panohanana ka sao rehefa hianjahanja ho tratra farany eo vao hoe : domy aho ranoatra fa kenda !? Ny rehetra no mila mieritreritra ny tokony hatao, fa ny tànana efa zatra mitsotra tsy azo avokona intsony e !
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap