airtel

Edito

07-déc-2023

Edito

Endrika ivelany sisa !

Sample post image

Ahoana no ahafahan’ny mpitondra Fanjakana mamaha ny olan’ny firenena

07-déc-2023

iray raha toa ka ny governemanta no olan’ilay firenena ? Io no mahafehy ny zava-misy ankehitriny, saingy iniana hikipiana, hanaovana hitsin-dàlana hatrany. Zary lambolamboina sy takotakonana amin’ny sehoseho ivelany, ka rehefa nitodihan’ny Malagasy maro an’isa tamin’ny tsy fandraisan’anjara feno tamin’ny fifidianana, dia any amin’ny serasera hanehoana amin’ny endrika ivelany fa ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena no lalaovina. Marina sy ekena fa tsy afaka hiolonolona eto isika fa moa tena mijery ny tombotsoan’i Madagasikara ve ireo vahiny sy filoham-panjakana Afrikanina kotiana mafy mba ho avy hanome voninahitra ny fianianana ? Dia tena mandry ve ny eritreritra eo anatrehan’izao efa zava-manjo ny firenena izao ? Miaina tanteraka ao anatin’ny tebiteby ny Malagasy, tsy manana antoka amin’ny ho avy fa dia mitaintaina tahaka ny sahobakaka ambodiriana. Moa mba tena ny hanasoa an’i Madagasikara no nahamaika tamin’ny fanagiazana ny firenena ka nanaovana ny tsy fanao ? Samy miandry ny rehetra amin’izay ho vahaolana manoloana ny : fidangan’ny vidim-piainana, tsy fahamarinan-toerana ara-toekarena, fitotongan’ny sandam-bola, firongatry ny tsy fandriampahalemana miseho amin’ny endriny maro, olana ara-politika,… Mbola hoentina amin’ny kisendresendra sy kitaitaitra ary ny programa manidintsidina ve sa mba efa misy ny programa matipaika sy fomba fiasa mahomby ? Raha mitodika amin’ny propagandy toa fihantsiana politika no re betsaka ankoatry ny fampifalifaliana amin’ny artista. Tsy afaka ny hiraviravy tànana anefa ny Malagasy, fa mila mandray lesona, mila mandray andraikitra,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap