airtel

Edito

18-oct-2024

Fahirano anaty repoblika!

Faha mpanjaka no nisy an’izany hoe

Sample post image

fanjakàna miisa 2 mifanafika dia izay fanjakàna

18-oct-2024

manafika fanjakàna no miodidina ilay fanjakàna tafihiny mba tsy ahafahan’ny mponina hivoaka ny vavahadin’ny tanàna hatsaka rano any an-doharano. Rehefa tsy afaka mivoaka ao maka rano ireo dia maty ho azy ao dia nandresy an’ady ilay fanjakàna nanafika. Izany no nantsoina hoe «Fahirano» na tsy fisian-drano tamin’izany andro izany. Amin’izao fotoana izao izany isika raha mijery ny zava-misy eto Madagasikara dia tsy hay ny tsy ho lasa saina hoe dia tena lasa firenena voahozona ve izy ity sanatria no tsy misy firenen-kafa manafika, manana angovo be dia be isan-karazany azo trandrahana toy ny rano, kanefa ny vahoaka ao amin’ilay firenena dia mijaly amin’ny resaka rano? Misy tena tsy misotro rano. Fahirano anaty repoblika! Efa tsy vanim-potoanan’ny faha mpanjaka intsony, efa tsy misy firenen-kafa na fanjakàna hafa manafika intsony kanefa dia io fahirano io. Mahasorena sy manimba fihariana maro ary mampitombo ny tsy fananana asa ny delestazy saingy ity rano tsy misy ity dia tena mahazendana hoe lasa vokatra afarana na «produit de luxe» ihany koa ary ireharehan’ilay filohan’ny repoblika mihitsy hoe «O r’ireto a! Io fa nahita vahaolana momba ny tsy fisian-drano ny tenako!». «Bombonne» be dia be sy siterina mitondra rano no tafakatra aty amin’ny renivohitr’ilay firenena nefa namonjena ireo havana tratry ny kere tany atsimo izany tamin’ireo fitondrana hafa efa nisy teto amin’ity firenena ity. Samy mahalala ny rehetra fa aina ny rano. Ny dikan’izany dia io izany tokony andeha ho azy amin’izay mpitondra tonga eo, na iza izy na iza, hoe laharam-pahamehana io! Tokony hisy foana io no dikan’izany fa tsy sanatria ho ritra ny anatin’ireo sinibe na «bombonne» dia tsy vitan’ny hoe hanafatra rano fotsiny fa mbola hanisy Tam tam be indray aloha hoe «Indro tompokolahy sy tompokovavy fa tonga indray ny vahaolana andiany faharoa momba ny rano avy amin’i prezidà!». Namolavola vahaolana miompana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana iny ny antenimieram-pirenena. Nijery ny teny Mandroseza sy ny tariny ny filoham-pirenena. Hijanona ho teoria sy fihetsiketsehana ve ireny rehetra ireny na koa sanatrian’izany mbola ho anaovana makety an-taonany maro indray aloha sa mba efa hita ny vahaolana maharitra vokatr’ilay lasa teny malaza hoe «fidinana ifotony»?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap