airtel

Edito

09-juil-2024

Fairano miandalana!

Ny tetibola moa izany ireny efa niaraha-nahita tamin’ny fikirakiran’ireo

Sample post image

solombavambahoaka namarana ny fotoam-piasany teo ireny fa dia tsy nasiam-panintsiana.

09-juil-2024

Nambara ho voatery nahena raha fehezina ny fomba filaza azy miaraka amin’ity antsoina hoe «coupe budgétaire», izay raha adika malalaka amin’ny tenin-drazana dia tena hoe fanapahana tetibola, araka izay tokoa. Mitohy izany atao hoe mifehy kibo na koa hoe politikan’ny fitsitsiana, raha hiresaka kitapom-bolam-panjakana, fa etsy ankilany koa anefa ilay vahoaka malagasy izay efa niharitra fidangan’ny vidim-piainana tao anatin’ny maherin’ny 5 taona dia vao mainka izany izy izao hiharitra mihoatran’izay efa niaretany teo. Ho an’ny mpiasam-panjakana no hoe efa 4 taona na mahery aza no tsy nisy fisondrotan-karama fa mainka moa izany aty amin’ny sehatra tsy miankina? Manery nefa etsy andanin’izay ny tahirim-bola iraisampirenena ny amin’ny tsy ampiharana amin’izay ny vidiny tena izy eo amin’ny famarotana solika eto amin’ny firenena. Iaraha-mahalala nefa ny ho vokatr’izay ao anatin’izao odidina na «contexte» politika sy sosialy eto amin’ny firenena izao fa vao mainka ho fihenan’ny fahefa-mividin-dRamalagasy. Ny vidim-piainana nefa amin’io ahiana hidangana. Fahiranon’ny vondrona iraisampirenena amin’ny alalan’ny FMI izay hita miandalana izay fa fairano miandalana hita ara-bakiteny koa etsy an-kilany ary saika nampitaraina an’Antananarivo sy ny manodidina na dia efa zary fiainana mahazatra ny any amin’ny faritra hafa aza ny tsy fisian-drano. Tamin’ny ankapobeny izany dia hoe tapaka nanodidina ny tamin’ny 5 ora maraina tany ny rano tamin’iny omaly iny dia taty amin’ny 7 ora hariva taty vao niverina saingy, raha tamin’ny 7 ora hariva io ianao no nanomboka nameno sinibe dia tany amin’ny tamin’ny 9 ora alina izany vao feno. Fitarainana raim-pianakaviana teny amin’ny boriboritany faha 3 teny indray izany fa tsy teny Itaosy irery ihany toy ny mahazatra intsony. Izany no zava-misy eto amin’ity firenena ity amin’izao fotoana izao. Fairano miandalana no mihatra aminy, na an-kolaka io na ara-bakiteny. Asa na ho tratra ao anatin’izao ihany ilay tarigetran’ny filoha hoe tsy maintsy mandroso! Tsy maintsy any aloha!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap