izany tao anatin’izay 5 taona farany vitany teo izay? Tsy vita ny Tanamasoandro, tsy araka ny niheritreretana azy ny Miami, ahoana koa moa ny mikasika ilay Ambatondrazaka ho atao toa an’i Paris? Ny teleferika moa iny dia ireny niaraha-nahita fa nanaovana karazana fampisehoana ho an’ny vahiny ireny fotsiny dia hoe amin’ny taona 2025 indray izany, hono. Niaiky ihany ny tomponandraikitra ambony indrindra momba izany fa resaka angovo na herinaratra no tsy ao na koa hoe fototr’olana. Aiza ny flyover? Samy mahalala ny valiny ny rehetra. Tsy hita! Na izany na tsy izany nefa dia iarahan’ny maro mahita koa, etsy ankilan’izay, fa tsy mbola hita ho niantraika tany am-bilanin’ny vahoaka malagasy aloha ny fisiana na tsy fisian’izany rehetra izany. An-daniny kosa dia efa maro dia maro ireo vahaolana naroson’ireo herivelona maro ivelan’ny fitondrana, isan’izany ireo mpanohitra, entina hanampiana izao fitondrana izao hamahana ny olana misy eto amin’ity firenena ity. Vao omaly indray izao no nivoaka ny hoe ahafahana mahazo trakitera hamokarana miisa 12.500 izany ny vidin’ny teleferika. Tamin’ny herinandro nanoso-kevitra ny fivondronan’ny mpiasa fa azo amidy ireo harena sarobidy mitokona fotsiny ao amin’ny toerana hanagiazan’ny fanjakàna malagasy azy ao, raha tsy sanatrian’izany hoe tsy hita tampoka tao intsony tahaka an’ilay volamena nivadika vy tamin’indray mandeha iry koa angaha! Tao ny hoe izay tetibola kasaina hanaovana rendrarendra hafa, aoka re mba fara-faha ratsiny aloha hanamboarana ireto lalana potika be dia be manerana ny nosy ireo. Ao ny resaka ny amin’ny tokony hampiasana araka ny tokony ho izy amin’izay ny menaka mavesatra ao Tsimiroro hamahana ity olan’ny JIRAMA ity. Betsaka ihany izay tohevitra, sosonkevitra, vahaolana naroso ho an’ity fitondrana ity izay fa fampiharana sisa andrasana! Mila hivavahana mihitsy ve izany ilay fitondrana mijoro vao hanatanteraka azy ireny?
J. Mirija
ny filoham-pirenena na ireo mpanaradia sasany izao fitondràna izao! Samy gaga