airtel

Edito

06-sept-2023

Edito

Fandrorana mitsilany hatrany

Sample post image

Miverimberina ny tantara, hoy ny malagasy mpahaifiarahamonina politika omaly nandika ity zava-misy ankehitriny eto Madagasikara ity.

06-sept-2023

Izay tsy mahalala ny tantara, hoy ny filozofa malaza, Karl Marx, dia voahozona hamerina izany. Tena tsy mahalala ny tantara tokoa isika malagasy sa minia mikipy manao ny ratra efa napetraky ny tantara? Valifaty politika ifandovana ve no vahaolana sa ilay hanaovan’ireo raiamandreny ara-panahy antsoavo ombieny ombieny hoe fifamelana sy fihavanana? Nampiasa hery ny fitondrana Tsiranana ny taona 1972. Nivarina tanaty fahantrana ny firenena. Nampiasa izany koa ny fitondrana Ratsiraka ny 1991. Matimaty fahatany ny vahoaka maro. Tosaky ny rà mandriaka ny tanety. Fahantrana lalina noho ny teo aloha ny setriny. Dia mbola izay ihany koa no notohizana ny taona 2002, 2009, 2018. Ankehitriny isika isan’ireo firenena miisa 5 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany noho izany tsy fahatongavan-tsaina sy fandrorana mitsilany hatrany izany. Aiza ho aiza ilay dradrain’ny mpitondra fa fitiavan-tanindrazana sy ambom-pom-pirenena anatin’izany rehetra izany? Mby aiza ihany koa ny tena tanjon’ny atao hoe fanoherana ao anatin’izany? Manohitra mba hahazo seza sa tena manohitra ahatongavan’ny vahoaka malagasy amin’ny fiainana tena milamina sy mandroso amin’izay?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

06-sept-2024

hamotika sy handrava firenena no tanjony na dia ekena aza fa betsaka ny haratsiam-panahy.

Card image cap
05-sept-2024

Raikitra indray ny fandaniana andro sy fotoana amin’ny kisopatsopatra sy ny famoretana na koa antsojay

Card image cap