Ny fanoherana milaza fa naman’ny efa fitondrana Rajoelina ihany koa iny satria kandida natolotry ny filohan’ny tetezamita 2009, izay lasa filoham-pirenena ankehitriny, no lany filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany. Ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Nirina Rajoelina, kosa dia nampiaka-peo mafy mihitsy raha vao nanomboka izany atao hoe fitondrana Rajaonarimampianina izany fa namadika ny tolona tamin’ireny fotoana ireny ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina. Vao niaraha-niaina teo indray anefa ny fitondrana Rajoelina nandritry ny 5 taona. Efa ho feno 6 taona sahady atsy ho atsy indray izy ity. Izany hoe raha atotaly dia fara faha-keliny, 11 taona latsaka kely teo izao no niainana izany fitondrana Rajoelina izany. Fara faha betsany 16 taona latsaka kely, araka ny efa nanazavana azy teo. Asa hoe iza no mahavita manaporofo fa fandrosoana no vokany? Mety hisy hahavita hitondra fanazavana maharesy lahatra ihany koa fa niova ve ny fomba fiasan’ilay fitondrana Rajoelina tao anatin’izay 11 taona latsaka kely nisiany izay? Fanimpiriny tamin’ny hoe fidinana ifotony nialohavana fampandrenesana moa izany ity anio eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ity? Nampisy fiovana azo tsapain-tanana nanala ny fahasahiranam-bahoaka ve? Iny izao tamin’ity herinandro ity dia niparitaka indray ny sarina fotodrafitrasa mbola tsy nitokanana dia efa miha rotika sahady. Lazaina fa manara-penitra moa izy ireny. Tao ny hopitaly nianjera am-pitoerana. Tao ny kianja tsy navelan’ny FIFA andraisana lalao iraisampirenena. Asa hoe mbola hiampy ihany koa ve ny EPP sy CEG manara-pofona saingy ho lazaina fa manara-penitra hatrany? Dia samy niara-nahita teny fa fomba fijery hafa mihitsy ny an’ilay filoham-pirenena ary mbola namafisiny moa ny fanaporofoana izany tamin’ny fanendrena fanin-diminy indray ilay praiminisitra efa maty tsikeran’ireo mpanao politika sy mpandinika maro lafy. Tsy vitan’izay fa miiba dia miiba rahateo ny tombana momba ny fitantanany niaraka tamin’ilay filoham-pirenena tao anatin’izay taona maro naha teo aza izay. Tsiahivin’ireo herivelona maro foana moa ny hoe firenena faran’izay mahantra eto ambonin’ny tany ankehitriny ity firenena ity. Izao ve izany ilay hoe tsy maintsy mandroso sa izao mihitsy no atao hoe mandroso? Fijery hafa mihitsy!
J. Mirija
fa toa mandeha fahoany fahoany, tsy fantatra izay làlan-kizorany sy hifarany hatreto.
toe-tsaina miiba ho an’ny olom-pirenena raha miresaka sy miteny ary manatsikafona ireo