airtel

Edito

10-mai-2024

Fiodinana faharoa!

Fiodinana faharoa! Izay moa izany no nohirahirain’ny ankamaroan’ireo

Sample post image

mpanao politika fa azo iheverana ity fifidianana solombavambahoaka ho tontosaina ny 29 may izao ity

10-mai-2024

 Andro faharoa amin’ny fampielezankevitra momba izany sahady isika izao. Azo ambara ho hita ho nangingiana kokoa noho ny hatramin’izay, raha ny tantaran’izany atao hoe propagandy teto Madagasikara izany angamba, raha ny fahitana azy hatreto aloha. Ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo moa efa nazava fa nihatra ara-bakiteny ny maha tsy neken’ny rehetra ilay fifidianana ka tsy nahagaga ihany koa noho izany raha tsy tazana mihitsy izay antsoina hoe ambiansy anaty fifidianana na «ambiance électorale» izay na nialoha io na nandritra na taorian’ny fifidianana. Na ilay filoham-pirenena nambara ho lany fanindroany hitondra ny tany sy ny firenena aza tsy hita soritra teny aminy akory ny hafaliana ho mariky ny fandreseny ary nalaza ilay fehezanteny vahiny hoe «A vaincre sans péril, on triomphe sans gloire» na hoe tsy mahafaly ny fandresena tsy nisasarana. Tsy hiverina lava be mikasika ny tolona nataon’ireo kandida miisa 11 ho nahatonga izany isika satria inoana fa tsy maintsy mipetraka ho tantaram-pirenena iny hoe fitolomana ho tsy fanekena vazaha hitondra ny tany sy ny firenena iny sy izay adin’izy ireo nifandraika tamin’izay rehetra. Ny tsikaritra izany izao dia hoe tazana ho miantraika amin’ny fahafaha-mampiely hevitra ho an’ireo kandida ankoatran’ny an’ny fitondram-panjakana ny vesatr’ilay anto-bola 20 tapitrisa Ariary. Sarotra ny manao fampielezankevitra izao, hoy ny kandida iray tamin’iny alarobia iny niaiky, satria hampiely hevitra ara-bakiteny tokoa tsinona ianao, moa va hihaino anao ireto vahoaka noana sy vesarin’ny fahantrana? Manana hery hihainoana ny tena atao hoe fampielezankevitra marina ve izy ireny sa tanteraka ao aminy ilay teny hoe «noana ny vatana ka mivezivezy ny fanahy»? Mazava ho azy fa mbola ny handray koveta sy sio ary T Shirt aloha hatreto no hita ho tena maha maika ny ankamaroany. Enga anie mba hahita fomba hanoherana izay herin’ny vola sy kitolotolotra efa iaraha-mahalala fa tsy hevitra izay tokoa ireo tena te hampiely hevitra ao anatin’izao fampielezankevitra izao ka dia ho tanteraka tokoa ilay hoe ity no solon’ny fiodinana faharoa!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap