airtel

Edito

21-oct-2024

Fiverenana tsy misy tonony!

Rehefa mijery ilay olana

Sample post image

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

21-oct-2024

mikasika izany isika dia toy ny mihaino ireny hira be fiverenana na "refrain" nefa zara raha misy tonony andalana 3 na 4 ireny amin'izao fotoana izao. Fiverenana tsy misy tonony moa no filazan'ireo zokibe azy. Maina ny tany. Tsy tonga ny rano sy ny herinaratra. Ritra indray izay na hoe tsy mahatosika i Andekaleka no fanazavana miainga eo. Miditra indray ny fahavaratra. Tapatapaka ny herinaratra. Heno indray ny hoe olana ara-tekinika, tsy mahatosika ny tambazotra famatsiana herinaratra. Tao anatin'izay 15 taona mahery izay izany, raha ny olan'ny JIRAMA fotsiny no resahina, dia tsy niova firy mihitsy ny fitrangan'ny olana ary ny vahaolana nefa tsy hita mazava, ankoatran'ny hoe andrasana izany ankehitriny ny fahafahan'ity tale jeneraly israelianina ity hanao DAM. Olana efa mpiverimberina tao anatin'ny 15 taona mahery fa mbola tsy nahitan'ilay fitondram-panjakana vahaolana maharitra ihany hatramin'izao. Iarahan'ny rehetra mahalala ary na ny filoham-pirenena aza miaiky fa tsy vahaolana maharitra fa vahaolana vonjimaika, mba tsy hilazana ilay voambolan'ny mpandinika sasany hoe vonjy tavanandro ihany, izany fanapariahana sinibe na "bombonne" izany. Ohatran'ny vahaolana entin'izao fitondrana izao amin'ny olana ara-tsosialy hafa tahaka ny resaka vatsy tsinjo, tosika fameno, vary mora sy ny tariny ihany. Tsy vahaolana amin'ny tsy fisondrotan-karaman'ny mpiasa tao anatin'ny 5 taona izany nefa ny vidim-piainana etsy ankilany miha midangana hatrany. Tsy hahavaha ny olana amin'ny vidin-tsolika sy fifandraisan-davitra izany na ny fahasahiranan'ny tantsaha amin'ny vidin-jezika. Ny fanarenana ny lafiny toekarena moa dia mampametra-panontaniana hatramin'izao hoe aiza ny drafitra mazava mikasika azy? Tena misy ve sa sanatrian'izany hisy orinasam-panjakana na "société d'Etat" hafa ho faty indray atsy ho atsy? Mbola misy ary tafainga ihany ve ireny drafitra notanisaina fahiny be dia be toy IEM, PEM, PGE, "Plan Marshall", Velirano sy ny tariny ireny sa hiampy hafa hijanona ho teoria fotsiny indray? Efa hita aloha io izany ny fiverenan-kira fa dia miandry ny tonony sisa.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique