airtel

Edito

17-juin-2024

Haingo ambonin’ny tsikoko!

Notokanana, hono, ny Miami Toamasina ny faran’ny herinandro teo

Sample post image

dia hisy hila ho tapaka lalan-drà ireo mpankahala fitondrana, hoy ireo mpiaradia

17-juin-2024

amin’izany fitondrana ity firenena malalantsika ity izany. Azo atao anaty farango sosona tokoa moa izany hoe «vita» iny tetikasa iray iny. Anaty farango sosona satria samy naheno ny fampanantenana tao anatin’ny fampielezankevitr’izany kandida antsoina hoe Andry Rajoelina izany ireo nanaraka propagandy tamin’ny taona 2018 fa tsy izany Miray hina sy mifankatia zara fa misy zaridaina fitsangatsanganana sy fisariha-maso samihafa izany no nampanantenaina ny vahoaka malagasy tamin’ny fotoan’andro fa tena tanàna manontolo miova endrika tanteraka manakaiky ilay Miami tena izy na «original» any Etazonia mihitsy. Asa koa izay ho atao fanalavana ilay hoe «Tanamasoandro» rehefa ahitana irika ilazana azy ho vita eo fa na inona na inona izany aloha ambara dia haingo ambonin’ny tsikoko hatrany no kolontsaina politika hitaizan’izao fitondrana izao ny fanjakana sy ny tany raha mbola izy ireo ihany koa no eo! Notokanana koa iny ny hoe «Boulevard Ratsimilaho» ao Toamasina, izay azo atao hoe fihaonana ihany koa moa izany raha atao dika malalaka. Mba nanao ahoana kosa nefa, etsy ankilany, ny mikasika ilay tetikasa momba iny By pass iny mampitohy azy amin’ny lalam-pirenena faharoa sa hodiana fanina toy ny lalam-pirenena faha 13 koa? Mitohy hatrany, araka ny efa voalaza teo, ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny mahafinaritra, mba tsy hilazana hoe seho ivelany na haingo ambony tsikoko, mialohan’ny mahasoa. Mazava fa ny hanenjika ny fotoana maha be mpizahantany sy mpiala sasatra na ilay antsoina hoe «haute saison» fotsiny ihany eto no tanjona fa miantona kosa ilay tetikasa momba ny lalana voalaza teo nefa miantoka ny 70%n’ny fivezivezin’ny entana eto Madagasikara izany. seranan-tsambo lehibe indrindra eto amin’ny nosy izany ao Toamasina ao izany saingy miandry aloha izany fa andao haka fafiny amin’ny Miami! Rava tanteraka ny lalana mihazo an’Antsiranana. Toy izany koa ny ao Vavantena sy ny hafa maro tsy lavitra eo saingy miandry daholo aloha. Ontsa ianao maheno amin’izao fotoana izao hoe izay hahavitan’ny ankizy ny taona faha 5 na T5 any amin’ny ambaratonga ambany sisa izao no azon’ireo ray aman-dreny atao tanjona noho ny tsy fahampian’ny enti-manana hihoarana an’izany, indrindra, ho an’ireo any ambanivohitra sy ambany ravinkazo any.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap