airtel

Edito

31-août-2023

Hanao sorona

indray ny firenena?

Sample post image

Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena, miha atomotra ny fotoana voafaritra fa hanatanterahana ny fifidianana, misamboaravoara ny tontolo politika,…

31-août-2023

Samy miandry izay aloaky ny ampitso ny rehetra hoe: hanao ahoana marina izy ity? Inona no hitranga? Hilamina sa hikorontana? Hisy ny fifandeferana ka hampandeferana ny hambo-po politika mba ho soa ho an’ny firenena sa handeha ny fanaovana sorona firenena noho ny fitiavan-tseza sy fahefana? Na tiana na tsy tiana, isan’ny tompon’andraikitra tanteraka ny mpitondra ankehitriny raha sanatrian’ny vava ka ho tonga amin’ny korontana ny firenena. Tsy voatazona sy tsy voafehy intsony ny fiandrianam-pirenena sy ny maha iray tsy mivaky ny firenena. Ilay Filoha am-perinasa mihitsy no zary laza lasa miteraka fisaraham-bazana sy tsy fitovian-kevitra eto, raha raisina ohatra iray fotsiny io resaka zom-pirenena io. Tsy izy amin’ny maha olombelona azy, fa izy amin’ny maha Filohan’ny Malagasy, moa mba tena omeny ny hasina sahaza azy ve ilay toeram-boninahitra mariky ny fiandrianam-pirenena tazoniny? Eo ny mety ho fiarovan-tena manara-penitra, fitadiavana ny fomba rehetra ahafahana mbola manao amboletra, fa moa mba misy feon’ny fieriteretana sy feon’ny fahamarinana na “honnêteté intellectuelle”? Ny sary politika hatramin’izay, dia miankina amin’izay mpitondra am-perinasa eo ny hampilamina na tsia ny toe-draharaha mandritra sy mialoha ary aorian’ny fifidianana. Ny sary mitranga ankehitriny aloha, dia mandeha ny tetika samihafa hitazonana io fahefana io araka izay tratry ny hery. Miseho ny sompatsopatra samihafa, gafigafy mivantana na ankolaka, fampiasana ny fahefam-panjakana na fananam-panjakana na volam-panjakana ho amin’ny tombotsoa politika. Ny filoha am-perinasa ezahina hasongadina na manasongadin-tena hatrany amin’ny alalan’ny fahefana ananany, fa ny hafa tena hanaovana tetika sy fomba mamohehitra samihafa ahafahana manakona azy, tsy tiana haseho sy ho fanta-bahoaka hoe: manana olona sy mahatarika olona,… Ny sakantsakana ara-taratasy samihafa, ny fanasarotana maro, ny fampihorohoroana mivantana na ankolaka,… dia zary toe-javatra miseho amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Fotoana isaintsainana sy handinihana lalina izao ho an’ny olom-pirenena mba tsy ho in-droa na in-telo mahita ny maizina tahaka ny tain’omby natsentsina an-davabary!
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap