airtel

Edito

29-juil-2024

Havanana amin’ny famotehana Firenena !

Mihodinkodin-dava eo ny fitantanana ny firenena fa tsy hita izay tena vokany.

Sample post image

Hita taratra io amin’ny fomba fiasa rehetra na politika, na diplaomasia, indrindra fa ny toekarena sy ny sosialy.

29-juil-2024

Dia io iarahana miaina io, fa fananganana governemanta aza manahirana. Lazaina fa hihazakazahana ny fampandrosoana fa tsy afaka hiandry ny tsy afaka kanefa ny firenena mihakazaka mihemotra, izay tsy noho ny sitrapon’ny Malagasy noho ny amboletra sy tsy fahaiza-manaon’olom-bitsy. Tsy mihatsara fa miharatsy, fa ny serasera hilalaovana sy hampitoniana saim-bahoaka sisa no amboamboarina. Efa ireny iaraha-mahita ireny, fa ny depiote mpomba ny fitondrana aza efa miampanga ilay fitondrana arovany, ohatra, fa ny Jiro sy rano tapaka lava no nampihena ny vato azony tamin’ny fifidianana. Dia aoka ihany koa aloha hazava, fa tsy azo ahilika any amin’ny Jirama fotsiny io hoe : tsy mahay ny mpitantana fa soloy. Orinasam-panjakana io, ary ny Fanjakana no tompon’ny teny farany. Mandeha io dia ny Fanjakana, ambony ambany tahaka io io dia ny mpitondra sy ny fahefana mpanatanteraka mazava ho azy no iandronan’ny rihitra voalohany sao hanilika amina olona na vondron’olona hafa. Taratry ny fahapotehan’ny firenena ny faharavan’ireo orinasam-panjakana maro. Inona moa izany izao ny zavatra tena na mandeha na fihariana tena milamina eto ? Moa tsy ny sehatra tsy manara-dalàna no mirongatra ? Moa tsy ny « Ludo », ny loka, ny fisolokiana,… no hita sy re etsy sy eroa ? Ny olona mihakamo sy miha sahirana, ny seha-pihariana maro tapitra potika sy mitsipozipozy, ny famoronana asa tsy misy, ny kolikoly izay aleha zava-doza,… Potika tanteraka ny Firenena, ravan’ny tsy fahaiza-mitantana, levon’ny fitiavan-tena, rotiky ny famotehana marolafy, ravan’ny Fanjakana tsy tan-dalàna. Tsy misy mpitondra hoe : dia tena handeha hanao fahirano ny firenena no programan’asany na mety misy ihany aza ny haratsiam-panahy, fa matoa tonga amin’izao dia ny tsy fahaiza-mitantana mihitsy no efa tena tsy voafehy intsony ny fiantraikany. Ny politikan’ny gisalahy mangala-ketsa rahateo no betsaka eto, ka ny manao ny tsy mety indray no avo vava. Tsy afaka ny hilavo lefona anefa ny Malagasy! Fotoana izao hifohazana sy hambolena fanantenana vaovao, ka hirosoana tsikelikely amin’ny tena fitiavan-tanindrazana, hamadihana ny pejy ka hiarahana mikatsaka ny soa iombonana.
Toky R
,
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap