airtel

Edito

19-déc-2023

Henatra fa tsy voninahitra !

Matetika mampametra-panontaniana foana

Sample post image

ilay fomba fiasa sy firesaky ny mpitondro momba ny fitantanana sy fiatrehana ny olana

19-déc-2023

mianjady amin’ny firenena sy ny vahoaka hoe : fomba fijery sy làlan-tsaina ary politika inona loatra re ity e !? Any amin’ny tsy mivonto no manaintaina, hoy ny fitenin’ny tanora, ary toa tsy dia mifanalavitra amin’izay ilay fomba fiasa. Inona moa izao no tena marary amin’ny vahoaka ? Inona no tena tadiaviny ? Tsy fananan’asa, fitotonganan’ny fidiram-bola sy ny fihariana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fandriampahalemana, delestazy, tsy fisian-drano,… Ilaina ny jiro izay toa iniana hatao izay hitangoronan’ny olona eny amin’ny talaky maso fa moa tena ireny no maika sy tadiavin’ny olona ? Ny toe-draharaha miharatsy ihany, raha tsy hilaza afatsy ny sandam-bola mitotongana izay tsy izy ka efa nihoatra ny 5000Ar ny sandan’ny 1euro ; ny filaharana eo amin’ny fanovana ara-toekarena any amin’ny laharana faha-3 alohan’ny farany no misy an’i Madagasikara, ny hanohanana moa dia alohan’ny farany no misy antsika,… Aiza sy inona izany no vokatr’ilay filazana fa tompondakan’ny indostria isika, izay noventesina sy nanaovana serasera manaka-danitra ? Aiza ilay isika tompondakan’ny fanjarian-tsakafo kanefa mitana ny rambony amin’ny hanohanana ? Tsy finiavana hitanisa ny zavatra miiba fa tena resy ilay firenena, resy amin’ny lafiny rehetra,… Tsy azo hireharehana na eto an-toerana na eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fahazoana fahefana hitondra ao anatin’ny 5 taona indray, tsy fandresen’ny vahoaka maro an’isa, tsy fandresen’izay mety nandrotsa-bato ho an’ilay kandida, tsy fandresen’ilay kandida sy ny antokony,… fa zary latsa sy henatra, ary fahafaham-baraka sy fanaovana takalon’aina ho an’ny firenena, raha izao no vokatry ny fitantanana kanefa mbola atao ady sisika sy amboletra ny fitazonana ilay fahefana. Sanatrian’ny vava tahaka ny vorona azon’adala i Madagasikara ka raha tsy maty mifoifoy volo ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

sinoa antsoina hoe : Sun Tzu tany amin’ny taon-jato faha-6 talohan’i Jesoa kristy

Card image cap
13-mars-2025

vidy be an’ny filoham-pirenena malagasy. Avo efatra heny amin’ny an’ny filoham-pirenena frantsay,

Card image cap