Toy ny hatramin’izay dia misongadina foana ny mikasika an’Antananarivo renivohitra. Miisa 7 moa ireo no kandida. Ao ny kandida maha manimanina ny lasa. Misy ny kandida miezaka mampahatsiahy ny zava-bitany fony izy minisitra na koa praiminisitra. Misy kandida manao ny fomba mahazatra, izay tsy hita loatra izay hiavahany amin’ny kandidan’ny fitondrana hatramin’izay amin’ity resaka fizarazarana sy fiarahana maka sary amin’izay mandalo rehetra ity. Misy koa moa, mazava ho azy, izay kandidan’ny fitondrana izay mihitsy. Misy ny kandida izay hatreto tsy fantatra mazava hoe inona marina no tena vinany na ny fototry ny tetikasany fa dia hoe «Izaho zanak’i dada!» dia «Izaho natolotr’i dada!». Misy kosa nefa, etsy ankilan’izay, ny kandida izay efa hatramin’ny 10 taona lasa no niezaka nampahafantatra ny vinan’asany na koa ny vinam-piarahamoniny mikasika an’i Madagasikara iraimanontolo mihitsy ary ankehitriny moa izany dia lasa mikasika an’Antananarivo izany satria hilatsaka ho ben’ny tanànan’Antananarivo izy. Rehefa mijery ny serasera momba izany eny amin’ny tambazotran-tserasera na haino vaky jery eny ianao dia tsikaritra fa miady hevitra momba izany ny olona. Miady hevitra momba ny hoe ahoana no hahatongavana amin’izany? Tsy misy resaka hoe mila manilika an’i Rakoto isika na manilika an’i Rasoa fa dia fotsiny hoe io no vina ho an’Antananarivo raha hiaraka amiko izy. Miitatra avy eo ny hetahetan’ny mpanara-baovao te hamantatra bebe kokoa ny momba ilay kandida dia mahita hoe io koa kay ny zanany fa mianatra amina oniversite azy, izay eto Madagasikara ihany fa tsy nilàna nakàna zom-pirenena frantsay no sady nanariana ny zom-pirenena malagasy tahaka ny an’ny sasany. Iniana ikipiana fotsiny moa izany rehetra izany, indrindra, ho an’ny sasany amin’ireo mpanohana ny fitondrana fa dia ohatran’ilay kandida mampianatra ny zanany eto amin’ny tanindrazany ihany indray no diso. Hisy hiteny koa, hono, atsy ho atsy hoe «hay ve ilay kandida koa mihinam-bary e!». Dia gaga ianao mahita ilay tsoakevitra na koa hoe «conclusion» avoakan’ilay ranamana ao anatin’izany rehetra izany. Ny resaka hita ho tena nisongadina anefa dia ny hoe tetsy ankilany, misy malagasy iray nanary ny zom-pirenena maha malagasy azy dia naka zom-pirenena frantsay hoe hampianarana ny zanany any Frantsa kanefa dia mbola sahy milaza fa tia tanindrazana, tia an’i Madagasikara satria malagasy no rà mikoriana ao aminy. Andaniny, malagasy iray manana ny zom-pirenena malagasy no sady mampianatra ny zanany eto Madagasikara ihany ary na ny anaran’ny antoko politika tarihiny aza Tia tanindrazana, tahaka ny ilazàny matetika ihany koa hoe tia tanindrazana izy. Iza tokoa ary izany no tena tia tanindrazana?
J. Mirija
Firenena ity fa tsy afaka sy tsy azo ianteherana amin’ny vahiny.
no tsy tonga teny amin’ireo biraom-pifidianana nandeha naneho ny safidiny tao anatin’ireo fifidianana nifandimby