airtel

Edito

03-oct-2024

Io aloha no misy!

Io aloha no misy! Io aloha no eo! Tononkiran’i Samoela izany saingy

Sample post image

rehefa mijery ny andavan’androm-piainan’ny vahoaka malagasy ankehitriny tokoa isika eny anaty fiarahamonina

03-oct-2024

rehetra eny dia hita ho zary mionona amin’izany sisa. Io aloha no misy! Io delestazy io. Io rano tapaka lava io. Io tsy fandriampahalemana an-tanàn-dehibe hatrany ambanivolo io. Efa miisa 3 izay ny finday sokajian’ny olona amin’ilay «foza» ny ahy no lasan’ny mpanendaka sy ny mpangaro-paosy, hoy ny olompirenena iray, dia fomba ahoana moa no ahasahiako mikirakira finday avo lenta amin’ny resaka fifandraisana rehefa mivezivezy eto Antananarivo? Finday foza aza, hoy izy, pehan-drizalahy. Izany izao no fiainana eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara. Ny fihariana efa tohanan’ny fifamoivoizana tsy mandeha sy ny olan’ny JIRAMA dia mbola ampian’ny olan’ny tsy fandriampahalemana sy olana ara-tsosialy samihafa koa. Tsy mitombina eto Madagasikara intsony ilay fitenenana naha jejojejo ireo raiamandreny teo aloha hoe «Le client est roi!» na ny mpanjifa no mpanjaka! Ny mpivarotra izao no manery ny mpanjifa tsy maintsy hanjifa izay entana tian-drizareo ho vidianao. Tsy misy safidy azo atao firy intsony na amin’ny resaka filàna an-davan’andro aza fa dia hoe ireo aloha no misy! Io aloha no misy! Raha te hahazo ny tsara dia mividiana ny lafo! Misy mpivarotra dia sahy mametraka eny amin’ny tsenany ny soratra hoe «Vidio izay zakan’ny volanao dia aza mimenomenona!» mihitsy moa eny amin’ny mpivaro-bary eny amin’izao fotoana izao. Na fanajàna mpanjifa aza tsy hain’ny mpivarotra intsony. Ny vidin-tsolika moa dia io efa iaraha-mahita io. Izay vidiny apetrak’ireo mpandraharaha eo dia tsy maintsy mividy ianao rehefa tsy maintsy mampiasa fiara sy kodiaran-droa na sahala amin’izany. Toy izany koa ny afitsok’ireo mpandraharaha amin’ny resaka fifandraisan-davitra. Ny fitondram-panjakana moa, etsy ankilany, dia miraviravy tanana miaraka amin’ireo vahoaka, hoy ny filazan-dry zareo sendikalista azy izay. 15 taona mahery isika izao no niandrasana vahaolana maharitra sy vahaolana manatsara ny aty vilanim-bahoaka saingy… io aloha no misy!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap