airtel

Edito

19-juin-2024

Izany foana!

«Izany foana efa te hizesta…!!», hoy ny hiran-drizalahy

Sample post image

bandikelin’Antsirabe tany amin’ny 25 taona lasa tany izany.

19-juin-2024

Izany foana ihany koa no heno izao tao anatin’ny 5 taona mahery rehefa mikabary ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, sy ireo mpanaradia azy. Izy tenany milaza fa izay tsy maharaka ny hafainganam-pandehany dia miala. Tsy hisy distrika ho adino intsony. Tsy hisy kaominina ho adino intsony. Izany foana! Tsy 5 taona fotsiny akory aza angamba ny fehezanteny sasany fa efa maherin’ny 15 taona. Hatramin’ny fotoana naha filohan’ny tetezamita azy mihitsy ny fehezanteny sasany. Dia iny koa ireo mpanaradia izay tsy mitsahatra ny mihiakiaka ery amin’ny «Merci président» hatrany na koa hoe «Marina!» rehefa manontany ny filoham-pirenena hoe «Marina sa tsy marina?». Dia samy milaza matetika koa ireo fa ny manodidina ny filoha no olana fa tsy izy. Misy amin’ireo minisitra no tsy maharaka ny hafainganam-pandehan’ny filoha. Hafainganam-pandeha inona ihany ary ity tiana ambara tsy nahitam-bokany mazava afa-tsy fihemoran’ny firenena tao anatin’ny 15 taona ity? 15 taona nandrombahana fitondrana ve dia mbola tsy mahay mifantina mpiara-miasa afaka tena hitondra fampandrosoana marina ho an’ity firenena ity ihany? Mbola tsy ahita ihany hoe karazana mpitondra tahaka izao na karazana tomponandraikitra tahaka izao no tokony haharaka ilay «hafainganam-pandehako»? Tsy misy izay tsy maha voadinika angamba fa ny kabarin’ny filoham-pirenena rehetra tato ho ato dia toy ny milaza ny tenany hatrany ho efa nahavita nihazakazaka mampandroso ity firenena ity mihitsy. Ekena! Mety nihazakazaka tokoa tamin’ny fotoan’androny ny fananganana hopitaly manara-penitra sy sekoly manara-penitra saingy ireny niaraha-nahita ireny moa ny andry nitriatra, ho an’ny fotodrafitrasa sasany, ny fivoahana manara-pofona any amin’ireo sekoly naorina na koa trano mitete. Io izao ny kianja Barea fa tsy azo nampiasaina satria nohamarinin’ny sehatra iraisampirenena fa tsy manara-penitra akory. Nihazakazaka ve no azo ilazàna ny fotoana nanamboarana an’ireny sa kitoatoa? Io koa ny teleferika dia ho hitantsika eo moa! Iza tokoa moa no olompirenena tsy mba hiandry sy tena haniry izany atao hoe fampandrosoana marina izany saingy fampandrosoana marina fa tsy fampandrosoana saritsariny kosa angamba?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap