airtel

Edito

10-oct-2024

Kihon-dalana goavana!

Na tiana na tsy tiana, na hadio na mbola haloto toy ny hatramin’izay

Sample post image

ihany ny tokontanin’ity fifidianana kaominaly ity,

10-oct-2024

dia tsy azo lavina ny hoe kihon-dalana goavana izany ho an’ny hoavin’ny firenena! Iaraha-mahalala moa fa samy manana ny sokajiny na hoe «catégorie» itoerany avy ireo kaominina an’arivony mahery eto amin’ny firenena na dia azo fehezina fotsiny amin’ny hoe kaominina ambanivohitra sy renivohitra aza. Samy antsoina hoe fifidianana manakaiky vahoaka avokoa na izy io na ny fifidianana solombavambahoaka izay vao natrehintsika nialoha azy farany teo. Eto nefa ny resaka dia azo ambara mihitsy hoe fifidianana manakaiky ny eny ifotony indrindra, rehefa nofoanana tao anatin’ny taona maro izay ny fifidianana filoham-pokontany. Misy amin’ireo kaominina sasany eto Madagasikara no tsy manana afa-tsy fokontany miisa 12, ohatra, na 9 na 16 sy ny tahakan’izany. Misy koa anefa ireo manana fokontany an-jatony. Tafiditra ao anatin’izay ireo renivohi-paritany miisa 6 dia tsy iza fa Toliara, Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa ary Antananarivo. Ity farany moa izay manana sata manokana mihitsy amin’ny maha renivohitry ny firenena azy ary manana fokontany miisa 192 izay iparitahan’ny maro indrindra amin’ireo solontenan’ny faritra miisa 24 manerana ny nosy. Izay no antony hampahatsiahivana azy hatrany hoe stratejika be ity Antananarivo ity ary na nalaza aza taona vitsy lasa izay ny fehezanteny hoe «Tsy Antananarivo irery akory no Madagasikara!» dia toy ny namaly izany ny nambaran’ny mpitantana an’io kaominina io fahiny, volana vitsy lasa izay hoe «Tadidio fa tsy an’ny merina irery intsony i Antananarivo!». Midika izany fa raha tsy malina ny mpanao politika sy mpitondra hatramin’izay dia mety efa niofo ho fanjakana tanaty fanjakana mihitsy ity Antananarivo ity fa tsy nijanona ho ivon’ny fanovana ny fiainam-pirenena teto Madagasikara fotsiny na ilay nambaran’ny filoham-pirenena ankehitriny hoe ivon’ny fifandrafesan’ny malagasy. Nahatsapa tena tamin’ny fampirafesana ny malagasy vitany nanomboka ny taona 2009 ve izany ny filoham-pirenena ka antony nilazany izany? Tsetsatsetsa tsy aritra moa izay fa ny averina hatrany dia ny hoe mandia kihon-dalana goavana indray ny firenena amin’izao fotoana izao ka ny hirariana tokoa dia ny hoe enga anie mba ho kihon-dalana hitondra soa fa tsy sanatria kihon-dalana hitari-doza toy ny niseho nanomboka ny taona 2007 nankany amin’ny 2009 ka hatramin’izao!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap