airtel

Edito

13-nov-2023

Kihon-dàlana

Mandalo kihon-dàlana goavana ny firenena. Amin’ity herinandro ity no katsahina

Sample post image

hanatanterahana fifidianana amboletra, hampidi-kizo indray an’i Madagasikara raha tanteraka eo.

13-nov-2023

Minia mikipy tsy te hahalala ny fanoherana amin’ny endriny samihafa ny mpitondra izay heverina fa tsy ara-dalàna. Raha tena tsy matahotra fifidianana marina, dia tsy matahotra velively ny hirosoana amin’ny fanadiovana an’io fifidianana io, ary manaraka antsakany sy andavany ny lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery, fa tsy rehefa amin’ny tombotsoa politika dia voizina io, fa rehefa misy voahitsakitsaka dia hodiana adala. Ny sary mitranga ankehitriny, dia ny manam-basy sisa no tena ianteherana, ireo no tambazana mafy hamoritra ny vahoaka sy ny mpanohitra, fa raha izay tena fanohanan’ny valalabemandry dia sary ivelany amin’ny alalan’ny olona tambazana sisa, fa na ireny akanjo aparitaka eraky ny tanàna ireny aza dia vitsy mba tsy ilazana fa tsy tena misy ny misalotra azy amin’ny fiainana andavanandro any anaty fiarahamonina. Raha sanatria ka mbola hahomby ny fibodoam-pahefana dia mieritreritra ve ny mpitondra ankehitriny fa hanana fahamarinan-toerana ara-politika ary tena mbola afaka ny hampandroso ny firenena raha tarafina amin’izay folo taona efa nitondrana vao mainka nandetika an’i Madagasikara izay ? Hatao takalon’aina hatrany ny firenena ka tamin’ny 2009 nanongam-panjakana dia vitavita ho azy ? Tamin’ny 2018 lany tamin’ny fifidianana « doublons» fa noleferina ary fihemorana no vokany 5 taona ! Aty amin’ny 2023 dia mbola hanao letrezana hibodo fahefana sy hampisotro ny rano tsy tiana ny Malagasy dia mbola tsy maintsy arahina amin’ny sitrapony ? Misy farany ny zava-drehetra koa samia hatrany ho ela velona hiaina ny tantara !
Toky R

 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap