Tsy dia nisy ny fahagagana, fa dia malalaka amin’izay tiany hatao, ary na lazaina aza fa misy ny demokrasia, dia efa sarintsariny hatrany am-piandohana. Raha ny endriny ivelany aloha ho an’ilay firafitry ny birao maharitra, dia saika ireo Minisitra taloha aloha izany no nomena ny toerana Filohan’andrim-panjakana sy filoha lefitra. Niaraha-nahalala ny vokatra ho an’ny governemanta, fa dia isan’ireo tafiditra tao anatin’ny fitsipaham-pitokisan’ity andrim-panjakana ity 2 taona lasa noho ny tsy fahombiazan’ny mpanatanteraka ireto ho lasa mpandidy sy mpanapaka ao Tsimbazaza ireto. Tao ny nahabe be resaka mihitsy teo amin’ny fomba fiasa sy fanapahan-kevitra, tao ny malaza ho haingon-tsehatra fa tsy hita izay tena nafitsony,… Mba mahavalalanina ihany koa ny fahitana fa dia samy lasa mpikamban’ny birao maharitra ny depiote roa niara-lany tamin’ny poa-droa tsy nisy mpifaninana noho ny kajikajy nanintsanana izay mety ho mpifanandrina. Dia tena tsy nisy hafa afatsy ireny azo nomena ny toerana iray ve tao amin’ilay faritany ? Betsaka ireo pasoka daomy politika mandeha ka dia misy 14 isa indray ihany koa ireo depiote voalaza fa hifindra lasy tanteraka ho ao anaty vondrona IRMAR mba hahatonga azy ireo ho maro an’isa tsara, hiakatra ho 98. Izany no zava-misy izay toa manamafy fa kapoaka aloha vao vahoaka. Tsy mety tapitra ny kajikajy samihafa hanamafisan-tseza, ka toa lany andro miaro seza sy manao propagandy fa tsy hita izay vokatra ho an’ny Firenena. Ny zava-drehetra toa olana avokoa, ary dia mitombo ny trosa sy ny olana, tandindonin-doza hatrany ny Malagasy,… Vita iny ny fametrahana rafitra mpitehaka sy mpananga-tànana, dia ho avy indray ihany koa ny kajikajy hanaovana be fandraoka ho an’ny fifidianana ben’ny tanàna. Ho avy hatendan-kanina politika, ho avy indray ny pasoka daomy samihafa ankoatra ny propagandy mandavan-taona fa tsy hita izay fahombiazam-pitantanana,... Dia toy izany hatrany ka ilay tena asa ho an’ny firenena, ny asa hamahana ny olan’ny vahoaka sy hitadiavana izay mahasoa azy,… tsy misy sy tsy hita taratra, fa ny fanabadoana azy ho azo lambolamboina handatsa-bato no betsaka, hany ka tonga amin’ilay hiran’i Sareraka hoe : rehefa fifidianana ihany vao manan-kasina amin’ny mpanao politika ny vahoaka ! Mila mifoha tsikelikely sy mianatra mandinika, mianatra mianatra manapa-kevitra ara-politika isika Malagasy fa raha izao no mitohy dia hioty fahantrana lava eto !
Toky R
ny filoham-pirenena na ireo mpanaradia sasany izao fitondràna izao! Samy gaga