Dia iny fa niverina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato indray omaly, ka nilaza fa tsy olom-bitsy no hanimba ny sarin’i Madagasikara manoloana ny kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina. Zava-dehibe izany satria vavahadin’i Madagasikara io, saingy ny mahatsikaiky dia ny hoe : ny Filoham-pirenena mihitsy ve no miditra an-tsehatra vao hisy olana hivaha ? Mitohy hatrany ny toa fampalazana tsangan’olona ho Andriamanitra kely mpamaha olana, hany ka mety hiraviravy tànana ny rehetra. Dia ireny iaraha-maheno ireny fa toa zary lasa fiantsoana vonjy etsy sy eroa ilay Filoham-pirenena izay betsaka ny anjara asany efa tsy vitany. Misy olana ny mpiadina bakalorea dia ny Filoha no iantefan’ny antso avo, misy olana ny paompin’ny Jirama dia ny Filoha, manana olana ny mpianatry ny oniversite dia hiandrasana ny filoha,… ? Mby aiza ny fitsinjaram-pahefana ? Resaka voninahitr’i Madagasikara no resahana amin’ity hoe : kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina ity. Hay mba mahalala menatra ihany ny Fitondrana eo anatrehan’ireny zavatra mamohehitra ireny ? Ka moa misy dikany ve anefa io mitaha ny tsy fahaiza-mitantana namotehana ny Air Madagascar izay manan-danja ara-toekarena kanefa rava tao anatin’izao fitondran-dRajoelina izao ? Resaka ady amin’ny kolikoly no resahana sy ventesina ary lazaina fa manimba ny sarin’i Madagasikara, kanefa ireny niaraha-nahita ireny fa ny tan-dapa tanan-kavanan’ny Filoham-pirenena mihitsy aza no voasambotra tany Londres noho ny tsolotra sy kolikoly, nisy ireo olon’ny governemanta voarohirohy tamin’ny afera avo lenta fa nodiovina natao kandida depiote,… Raha tena miaro ny voninahi-pirenena tokoa, dia tokony hipetraka ho fitaratra ny mpitondra, tena nanao fitantanana mahomby sy tena miady amin’ny fahantrana fa tsy lany andro amin’ny fihetsiketsehana ivelany. Voninahitra sa fahafaham-baraka ho an’i Madagasikara ohatra ny fitomboan’ny tahan’ny vahoaka mahantra hany ka i Somalie sy Soudan Atsimo izay rotiky ny ady an-trano aza mbola ambany noho isika ny tahan’ny fahantrana fa moa mba mahatonga saina ny mpitondra ? Miha potika amin’ny lafiny rehetra ny firenena : làlam-pirenena, fampianarana, toe-tsaina, tsy tan-dalàna,… fa moa mba tena nampihetsi-bolomaso ny mpitondra Fanjakana ve ?
Toky R
ny filoham-pirenena na ireo mpanaradia sasany izao fitondràna izao! Samy gaga