airtel

Edito

26-août-2024

Loto politika

Loko politika miisa 2 moa izany no nibahan-toerana teto amin’ny firenena tao anatin’izay 15 taona izay.

Sample post image

tena hoe loko mihitsy. Rehefa tsy atsy amin’ny loko iray dia atsy amin’ny loko iray,

26-août-2024

hoy ny mpanao politika teo aloha nisintaka satria nahatsiaro ho leo izany politika malagasy izany raha naneho hevitra andro vitsy lasa izay. Izay no lasa fiheverana ny atao hoe politika eto Madagasikara sisa. Adino tanteraka ny famaritana fototra grika sy ny famaritana ara-piforonan-teny nentin-dry Aristote sy ny namany tamin’ny fotoan’andro izay namaritra fa io politika io dia fitantanana tanàna, firenena, fiarahamonina sy izay manodidina izany rehetra ary fikatsahana izay hahasoa ireo rehetra ireo ihany koa. Ankehitriny dia tsy vitan’ny hoe izany famaritana izany fotsiny no very eto Madagasikara fa lasa adihevitra maha valalanina ny mpanara-baovao koa izao ny hoe tena mifanohitra tokoa ve ireto mpitondra sy mpanohitra ireto? Ny tanan-kavanan’ny mpitondra teo aloha ankehitriny no lasa lehiben’ny mpanohitra ao amin’ny antenimieram-pirenena. Ny tanan-kavanan’ny filohan’ny repoblika teo aloha ihany koa no nanambara am-pahibemaso, vao tsy ela akory izay, fa tsy miaraka aminy sy ny namany intsony. Ny antenimieram-pirenena izay ambara fa misy hery politika samihafa, ahitana avy amin’ny fitondrana, ahitana mpanohitra, ahitana ireo milaza azy ho tsy miankina na koa hoe tsy an’ny atsy tsy an’ny aroa kanefa dia nandany 100% ho filohan’ny antenimieram-pirenena. Iza amin’izany rehetra izany ary, hoy ny fanontaniana mipetraka ankehitriny, na koa hoe aiza ho aiza amin’izany tranga ara-politika tontosan’ny mpanao politika malagasy rehetra izany no ahitana antoka na fara fahakeliny, fanantenana, fa hitondra fampandrosoana ho an’ity firenena ity? Miandry izany isika io raha ho azon’ny mpanao politika malagasy amin’izay manomboka eto fa fampandrosoana firenena no atao hoe politika fa tsy sanatria vao mainka ny resaka loko politika efa nankaleo tao anatin’ny 15 taona no vao mainka indray hivadika ho loto politika.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap