airtel

Edito

22-août-2024

Mba fantatra ihany ny hamoa sy hanakofa e !

Ho teraka ihany Ambatobevohoka rehefa nandrasana tao anatin’ny

Sample post image

efapolo andro mahery. Ny fitsanganan’ny governemanta no tiana holazaina eto.

22-août-2024

Ho teraka saingy mbola fanontaniana mipetraka ny hoe : ho tahaka ny ahoana ? Ho azo antenaina hitondra rivo-baovao amin’ny ho avy sa sanatrian’ny vava ho ranon’orana antenaina hanamando ny voly kanefa lasa riaka hikaoka ny tany ? Tsy finiavana hitondra fisainana sy fijery miiba, fa mba efa fantampatatra ihany ny vary hamoa na hanakofa e ? Tsy vao omaly sy androany no nahalalana ny fomba fiasa sy fitantanan’izao fitondrana izao, fa mba efa hita ihany ny hatramin’izay. Ny lohany izay tena tompon’ny fibaikoana tsy miova fa eo ihany, ny mpikambana ihany koa toa fantampantatra ihany fa ny banga no hofenoina, dia ny tonta no havadibadika,… Tsy misy ny fahagagana be antenaina, ary sanatrian’ny vava aza vao mainka hitombo ny olana eo anatrehan’ny tsy fahampian’ny hoenti-manana eo anivon’ny Fanjakana. Raha tena nanam-bahaolana hatramin’izay, mba mety efa nositrahana ohatra ny herinaratra 400Mw nampanantenaina hatao tao anatin’ny 5 taona farany izay naniratsirana ireo mpitondra nifanesy tao anatin’ny 60 taona ho zara raha nahavita. Dia io iaraha-mahita io ny vokany. Satria ny hino fa ny fomba fiasa, ny kabary ambony latabatra, ny endrika fanabadoana vahoaka tamin’ny endriny maro, ny fiteny tsy voalanjalanja, ny laharam-pahamehana kisadasada,… izay zary mari-pamantarana izao fitondrana izao dia hiova ao anatin’ny fotoana fohy ka hisy ny fahagagana eo amin’ny fitantanana Firenena. Ny hany heverina fa mbola handaniana rondoha aorian’ny fitsanganan’ny governemanta izao dia ny hoe : inona indray ny fika hahazoana ben’ny tanàna maro, inona no hisintonana ny saim-bahoaka hifidy kandidam-panjakana, ahoana ny tetikady fandemen-tsaina handresena ny mpanohitra,… Fa raha izay ady amin’ny fahantrana sy famahana olam-bahoaka izany toa mbola lavitry ny kitay ny afo. Tanala very sampy ka manova no mety, raha mbola te ho tafavoaka ny Malagasy !
Toky R
 

Dans la même rubrique

12-sept-2024

Herinandro izay no lasa tamin’ny fe-potoana ahafahan’ireo kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly

Card image cap
11-sept-2024

Ny mpinamana omaly mety hisara-dàlana anio, ny mpifanandrina mety hampitovy tadin-dokanga,…

Card image cap