ka ny dikan’izany dia tokony ho avo roa heny amin’ny fitenenana sy fanandramana izany ny fijerena sy fihainoana ary ny fanimboloana na ny fiofonana. Aza manadino anay ianareo izay any ambony any koa, hoy ry Dama sy ry Bekoto ao amin’ny tarika Mahaleo tamin’izany fotoana izany, fa mba henoy ny vavakay! Ny any ambony, hoy ry zalahy efa mety, ny ety ambany mba handrotsay! 65 taona nanomezan’ny frantsay fahaleovantena an’ity firenena ity ary 67 taona nidirana tamin’ny antsoina hoe repoblika isika izao. Mbola maro ny malagasy mikiakiaka hoe mba henoy izahay! Mba manana ny hetahetanay ihany izahay ety ifotony ety fa dia aza bahananareo eny ambony efa mety eny foana io mpiotifeo na «micro» io! Lany andro amin’ny kabary be sy ny kivorivory amin’ny atrikasa sy ity karazana fiofanana tsy hita hoe nitondra inona ho an’ilay firenena ity foana hatreto. Raha ny fivoriana sy atrikasa na fiofanana no nampandroso firenena dia inoana marimarina angamba fa tokony ho efa firenena sangany eto ambonin’ny tany ity Madagasikara ity. Toy izany koa ny kabary fanasoasoana fitondràna sy fisolelahana mpitondra. Fiainam-pirenena efa tsy vitan’ny hoe hiaraha-mahita fotsiny fa iaraha-miaina mihitsy ny fitotongany na eo amin’ny lafiny ara-toekarena io na sosialy na diplaomasia na fandriampahalemana na inona na inona dia mbola lazain’ireo mpidongy avara-patana ho mizotra mankany amin’ny tokony ho izy sy mahasoa ilay vahoaka efa mitrongy vao homana ihany. Izay rehetra tadiavin’izy ireo manokana foana no lazainy fa tadiavin’ny vahoaka. Aiza moa eto no hisy fampandrosoana andeha amin’izay laoniny?
J. Mirija
misy fetrany ny fahefana, misy fetrany ny vola,… Tsy misy hiasa maina, ary tsy misy hiasa maina,
misy fetrany ny fahefana, misy fetrany ny vola,… Tsy misy hiasa maina, ary tsy misy hiasa maina,