airtel

Edito

31-oct-2024

Mbola azo itokisana ve ?

Toa lasa tsy dia mino loatra intsony ny firesaka sy fampanantenan’ny

Sample post image

filoham-pirenena sy ny fitondram-panjakana intsony ny vahoaka.

31-oct-2024

Mihena ny lanja sy ny soatoavin’izany antsoina hoe : « filoham-pirenena » sy « Raiamandrenin’ny Malagasy » izany, rehefa zohiana amin’ilay zava-misy ankehitriny. Tsy ny vahoaka no sanatria te haniratsira na tsy hanisy lanjany ny mpitondra, fa ny fiteny amam-pihetsika sy ny fitantanana ny firenena no manetry voninahitra ho azy ny mpitondra Fanjakana. Lasa tsy mahatoky izay lazaina intsony ny olona, tsy mino ny hisian’ny fiovana sy fanovana, tsy manantena vahaolana firy avy amin’ilay fitondrana na dia mitaky izany sy mimenomenona aza,… Satria nahoana ? Betsaka sy nitobaka loatra ny kobaka am-bava, kabary politika hakana fom-bahoaka no betsaka, fampanantenana zavatra mamirapiratra kanefa tsy ho tanteraka no natao,… eny tena be famaritra sy be resaka kanefa tsy misy atokona, araka ny fitenin’ny tanora. Ohatra iray mivaingana io resaka delestazy io, izay raha ny fampanantenana sy ny resabe natao tamin’io mety efa tafakatra 4000MW ilay 400MW nampanantenaina 5 taona lasa. Inona ny resaka tsy natao teto, inona vava tsy natao nialohan’ny fifidianana tamin’ny 2018,… saingy indrisy fa basy tsy mipoaka e ! Ny angovo iny fa ny lafiny ara-toekerana sy sosialy samihafa tsy nisy tsy noresahana teto, ary efa nandeha mihitsy aza moa ny tany aloha hoe : isika no hanavotra izao tontolo izao. Rehefa nandeha ny andro sy ny fotoana, tsy misy sehatra tsy potika : ny làlana tsy voakojakoja, ny vidim-piainana midangana, ny lavanila nitotongana 30 heny raha fiakaram-bidy avo 3 heny no nambara, ny kolikoly manjaka, ny tsy fandriampahalemana mampiteny ny moana, ny fiharian’ny olona ambony ambany, ny renivohitry ny firenena voasokajy ho voalohany voretra indrindra aty Afrika,… Izany ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ? Mbola antenaina ve izao fitondrana izao ? Ho vitan’ny Malagasy ve no hiaritra an’izao 5 taona ? Manomboka izao no mila mametraka fanovana !
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Ny andraikitra natao ho tanjon’ireo kandida tsirairay fotsiny no niova fa raha ny fomba fanao hita

Card image cap
19-nov-2024

ny fifidianana ben’ny tanàna isika manomboka anio. Vanim-potoana miavaka amin’ny

Card image cap