airtel

Edito

24-déc-2024

Mbola milalao afo ihany !

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fety

Sample post image

isika saingy tsy misy fitoniana sy filaminana ary

24-déc-2024

fahamarinan-toerana amin’ny endriny maro ny Firenena, tsy manana fitoniana anaty sy tsy mahatsiaro ho miadana sy tena miaina ny vahoaka. Dobo tanteraka ao anaty fahantrana, miha mahazo laka ny fifandrafiana, manjaka ny tsy fahamarinana, mahazo vahana ny fandikan-dalàna, miorim-paka ny kolikoly, manjaka ny tsy maty manota,… Vita izao iny ny fifidianana, mandeha ny famoahana vokatra, saingy indrisy fa raha fampanjakana ny demokrasia sy safidim-bahoaka no soatoavin’ny fonosin’ny fifidianana, dia toa halatra sy hosoka ary tery vay manta noho ny kajy politika no misy ankehitriny. Dia io iaraha-mahita io, fa mikorontana ny kaominina, betsaka ny lonilony, manjaka ny fifandrafiana,… Asa na mbola mandry ivohon’ny vato ireo olona sy vondron’olona ampangain’ny fiarahamonina ho fositra na mba enjehin’ny eritreriny ihany ? Dia mbola sahy hilaza sy hitompo teny fantatra ve isika fa azo antoka sy tena taratry ny safidim-bahoaka ny fifidianana niseho teto, indrindra ny tato anatin’ny 10 taona farany ? Efa nandeha teto ny afera « doublon » iray tapitrisa izay ny tao anaty rafitra no namaky bantsilana saingy nodiana adala teo, dia io indray ny afera «ordonnance » fa samy miala, ny vato fotsy sy vato maty lasa velona indray sy atovana any hampandresena kandida moa dia mampiteny ny moana,… Dia ireny niahara-nahita ireny sary hoe : ilay Filoham-pirenena lazaina fa lany amin’ny salan’isa eo amin’ny 50% fa mahatafiditra solombavambahoaka hatrany amin’ny 80%. Ny fiainam-bahoaka sy ny firenena anefa tsy hoe : niha nandroso sy nihemotra, ka ny fifidianana itsaran’ny vahoaka ny mpitondra izany dia tokony ho taratr’izany, saingy ny mifanohitra no mitranga. Ny teti-dratsy maloto no betsaka fa tsy tena ny safidin’ny maro an’isa, fanambakana sy fanaovana fitaovana ny fahantram-bahoaka no betsaka,… Fampandrosoana Firenena inona no ho vanona ao anaty hosoka sy tsy fahamarinana ? Dia hiniana hikipiana sy mbola milalao afo ihany eo anatrehan’ny efa fahapotehana sy fifandrafiana goavana mety hitera-doza na efa loza mandindona sy mihatra eto eto amin’ny Firenena io ? Tsy misy hiasa maina, ary tsy misy ho afa-maina eo anatrehan’ny famotehana natao ity Firenena ity ! Miantso ny rehetra hifoha sy ho tonga saina !
Toky R


 

Dans la même rubrique

26-déc-2024

Kristianina ny atao hoe fahaterahan’ny mpamonjy na Krismasy.

Card image cap