airtel

Edito

02-juil-2024

Mbola tsy te hanova sary

Ireo depiote lany tamin’ny anaran’ny fitondrana na ireo vao hiditra na ireo

Sample post image

hivoaka dia tsy mbola nanova fomba fanehoan-kevitra ihany hatramin’izao entina

02-juil-2024

hanazavana ny antony tsy nahombiazana nandritry ny fotoam-piasany na koa nandritry ny fotoana nisian’ilay fitondrana Rajoelina, amin’ny maha filoham-pirenena azy, tao anatin’izay maherin’ny 5 taona izay. Mbola ny COVID 19 sy ady any Okrainina ihany no tena diso. Tsy ny teto amintsika irery no niaina fahasahiranana, hoy ny fanazavan’ny sasany amin’izy ireo, fa naneran-tany. Ekena izany saingy ny fanontaniana mipetraka izany ankehitriny dia ny hoe maninona ny toekaren’ny olona no efa saika tafarina daholo, eny, na dia ny an’ireo nosy rahavavintsika aty amin’ny ranomasimbe indianina toa an’i Kaomoro sy Maorisy ary Seisely aza? Tsy vitan’ny hoe tafarina fotsiny izao ny toekaren’ireo fa efa tena lasa lavitra noho ny antsika mihitsy. Iny indray moa ny praiminisitra fa naneho ny heviny omaly satria akaiky indray izany ny fotoana hanamboarana io mpikamban’ny governemanta io. Toy ny mahazatra dia fanehoan-kevitra tsy hita izay tena azo andraisana azy fa sady tsy milaza azy ho efa leo no tsy milaza azy ho mbola tamana ihany koa. Izy aloha izany izao no isan’ny praiminisitra naharitra indrindra tanaty fitantanana teo amin’ny tantaran’i Madagasikara. Niaina tanatina fotoam-piasana miisa 3 be izao. Hita ho samy mbola tsy te hanova sary hatreto rehefa anatin’izao fitondrana izao sy ireo mahazo tombontsoa manokana amin’izany. Ny olona no mety hiova na, ny marimarina kokoa, ny endrik’ireo olona hikambana handrafitra ao no mety hiova fa ny rafi-pitantanana sy ny fomba fiasa izany, raha izao fiaingany izao, dia mbola ho Ikotozafy ihany no Lexis, hoy ny fomba fiteny izay. Mbola tsy hiala amin’ny werawera tsy maintsy mandeha sy efa nahazatra hatramin’izay. Sanatrian’izany, vao mainka ho faran’ny mahantra eran-tany. Eto moa izany dia mbola manantena fahagagana hatrany na dia efa iaraha-mahita aza hoe fihetsika politika mbola tsy te hanova sary.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap