airtel

Edito

30-oct-2023

Edito

Miakatra ny maripana

Sample post image

Miakatra ny maripanan’ny tolona, hoy ny depiote iray, raha nikabary teny Atsonjombe ny sabotsy teo,

30-oct-2023

amin’ity herinandro ity. Nifanarakaraka tamin’izay daholo moa avy eo ny kabaran’ireo nandray fitenena tao aoriana rehetra. Tsy maintsy maka ny 13 may, hoy ireo filoham-pirenena teo aloha. Miakatra tokoa ny maripana, araka izany, raha iny lafiny fa etsy ankilany dia niara-niaina koa tato ho ato fa miakatra ny maripana raha ny lafiny toetr’andro mihitsy no ambara. Efa nanazava moa ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa fototry ny olana kosa indray eo amin’izay lafiny izay ny fivadibadihan’ny toetr’andro. Miakatra koa nefa ny maripanan’ny tsy fandriampahalemana, raha ny tranga niaraha-nahita hatrany ny faran’ny herinandro teo na teto an-drenivohitra io na tany ambany ravinkazo. Eo ny olan’ny famatsiana herinaratra mbola mitoetra. Iny koa izao fa nandanginina, hoy ny fitenin’ireo tanora fahiny azy izay, ny nafitsok’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na “opérateur téléphonique” izay nampiakatra ny saran’ny tolotr’izy ireo. Ny vidin’entana eny an-tsena moa tsy lazaina intsony. Miakatra koa ao anatin’izany rehetra izany ny maripanan’ny tsy fanarahan-dalàna, raha fintinina ny tsikeran’ny herivelona maro ivelan’ny fitondrana misy ankehitriny, mazava ho azy. Fitondrana izay tsy fantatra mazava intsony hoe iza no tena mitantana azy, hoy ny adintsain’ireo mpanara-baovao izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap