airtel

Edito

21-août-2023

Edito

Miala amin’ny fenitra

Sample post image

Sarotra be ny mandinika ny raharaha politika eto Madagasikara, hoy ry zareo Vondron’olona miaro ny fitondrana izay.

21-août-2023

Izany hoe na ry zareo aza izany dia miaiky ankehitriny fa miala amin’ny fenitra, hafahafa be tsy toy ny hita any amin’ireo firenena mbola mitana izany atao hoe soatoavina politika izany no hita eto amin’ity Madagasikara ity. Ny mpandinika raharaham-pirenena sasany moa dia tsy misalasala milaza fa tsy misy etika mihitsy izao fitondrana izao. Lafiny politika izay fa etsy ankilany, ny lafiny fanabeazana dia ireny niaraha-nahita tamin’ny faran’ny herinandro ireny indray ary mampametra-panontaniana lalina hoe ny tena hanosika ilay vahoaka malagasy hitroatra mihitsy ve no tian’izao fitondrana izao hahatongavana mafy sa fankafizana ny hiantsy satria dia ireny indray ny sabotsy teo dia niely ny vaovao fa andro alina no hamoahana ny valin’ny Bakalorea teto Antananarivo? Tsy mbola ampy ve izany ny fambolena fahasahiranana sy fitebitebena ho an’ny raiamandreny tamin’ilay fanampahan-kevitra tsy nosainina nampanaovana fanadinana ireo mpiadina tamin’ny andro alina? Miharihary ankehitriny fa potehina ny fanabeazana. Na ny filoham-pirenena mivantana no mitarika izany na ireo lazaina mahazatra hoe manodidina azy dia fitondrana foana no anarany aloha. Fitondrana Rajoelina! Governemanta Ntsay! Tsy misy afa-miala amin’ny goragora sy tsy fahombiazana miha lalim-paka eto amin’ity firenena ity. Olona miisa 7 tamin’ny 3000 no voalaza fa nanatontosa ny fanapahan-kevitra farany na “délibération”. Tsy vitan’ny hoe tsy nisy tao anatin’ny 63 taona angamba izany fa sady tsy mbola nisy teto ambonin’ny tany koa. Aoka tsy hitazam-potsiny izao firenena an-dalam-paharavana izao, hoy ny antoko politika iray nahavita kaongresy tamin’ny sabotsy!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap