airtel

Edito

30-juil-2024

Mialangalana tanteraka

Mialangalana tanteraka na koa hoe tsy tafiditra mihitsy na tsy «concerné»

Sample post image

amin’ny raharaham-pirenena eto amin’ity Madagasikara ity intsony izany amin’izao fotoana

30-juil-2024

izao ny fihetsika politikan’ny praiminisitra, indrindra, ny an’ny filoham-pirenena, izay hita ho toy ny milamin-tsaina tsara miara-maka sary amin’izy 7 mianadahy kely, hany mba solontenantsika any amin’ny lalao olaimpikan’i Parisy, any Frantsa any. Any dia mitsangatsangana any. Toy ny hoe firenena faran’izay mandroso indrindra eto amin’izao tontolo izao mihitsy ilay Madagasikara, firenena tsy manana olana, tsy manana vahoaka mahantra sy sahirana fa vahoaka efa mandry fehizay. Ohatran’ireny hoe tsy misy izany tsy fandriampahalemana izany aty. Ohatran’ny hoe tsy misy kolikoly mihitsy fa dia mirindra tsara ny fampandehanan-draharaham-panjakana no sady tena manakaiky vahoaka tokoa araka ny hirahiran’ilay fitondrana isan’andro. Tsy maninona rahateo moa, hoy ny mpanaradia azy ireo, na mbola ho afaka 3 volana aza izany minisitra handrafitra governemanta izany vao tendrena satria miasa ny fitondrana. Aiza ho aiza amin’ilay tarehimarika navoakan’ny banky iraisampirenena sy ny tahirim-bola iraisampirenena na FMI hoe mahantra indrindra eto ambonin’ny tany izao i Madagasikara moa izany no itoeran’ilay porofo hoe miasa ny fitondrana? Aiza ho aiza ao anatin’ilay hoe governemanta aza tsy vitany ny manangana azy? Liana amin’izay ho valin’izany fanontaniana rehetra izany amin’izao fotoana izao ny mpanara-baovao ka dia miandry tokoa moa izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap