airtel

Edito

23-août-2024

Miandry an’ilay fahagagana

Miandry an’ilay fahagagana ho

Sample post image

entin’ireto nohirahiraina tao anatin’ny 40 andro mahery

23-août-2024

hoe governemantan’ny fahagagana na governemanta manao mirakla ireto izany isika izao. Raha ny eo amin’ny lafiny endrik’olona aloha izany no ambara dia azo lazaina nisy endrika vaovao maromaro ihany. Ny firafitra koa moa izany dia iny novoizina hoe miralenta iny satria hoe 50% vehivavy ary 50% lehilahy. Firafitra angamba no azo ilazana azy fa tsy rafitra niova, raha hatreo amin’ny fonony ihany aloha na hoe endrika hatrany no asian-dresaka. Efa nampanantenain’ilay filoham-pirenena moa ny hoe hametraka sekreteram-panjakana miisa 4, volana maromaro lasa izay. 2 izany izay no tafapetraka. Isan’ny mametra-panontaniana goavana indray ankehitriny ny mikasika ity hoe minisitra delege misahana ny zandarimaria ity taorian’ny nanovàna ny anaran’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ho lasa minisiteran’ny foloalindahy. Inona daholo no anton’izany rehetra izany? Fa maninona no tsy maintsy nomena minisitera manokana ilay zandarimaria ary maninona no nosoloina hoe «foloalindahy» ilay hoe «fiarovam-pirenena»? Tsy mila fiarovana ve izany ny firenena? Fanontaniana toa tsotsotra avokoa izany rehetra izany, ho an’ireo izay mahara-baovao sy tena mpanara-baovao moa izany, nefa toa fanontaniana mahalasa saina ihany? Iza moa no tsy mahalala amin’izao fotoana izao fa misedra olana ara-toekarena sy sosialy goavana ankehitriny ity firenena ity? Mbola mety ho fomba fiteny matetika ho heno ato ho ato indray ve nefa izao ilay hoe avelao aloha izy ireo hiasa!? Ho hita eo tokoa moa fa dia miandry an’ilay fahagagana izany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-sept-2024

Herinandro izay no lasa tamin’ny fe-potoana ahafahan’ireo kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly

Card image cap
11-sept-2024

Ny mpinamana omaly mety hisara-dàlana anio, ny mpifanandrina mety hampitovy tadin-dokanga,…

Card image cap