airtel

Edito

03-sept-2024

Miandry finiavana e !

Tsy dia henoheno nitsikera mpanohitra loatra aloha tato ho

Sample post image

ato ny teo anivon’ny fitondram-panjakana saingy ny tsikaritra matetika dia toa tsy maintsy manonona,

03-sept-2024

fara-faha keliny indray mandeha, ny hoe «araka ny toromariky ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina…» na koa hoe «araka ny vinan’ny filoha Andry Rajoelina…» ireo mpikamban’ny governemanta. Tena tsy maintsy miteny izany foana ve? Inona no antony nefa ianao minisitra ary ambaran’ireo mpandinika matetika ihany koa fa tekinisianina fa tsy mpanao politika? Raha mpanohana fitondrana mbola ivelan’ny lapa moa dia maty tsikeran’ireo mpanara-baovao mihitsy teo aloha teo hoe misy efa hila haratra mihitsy ny lelany amin’ity filelahana tsy an-kijanona ity na koa hoe fisolelahana ity. Anaty fononteny iny saingy heverina kosa nefa fa mifandraika amin’ny fototry ny fahavalo tokony iombonan’ny malagasy rehetra eto amin’ity firenena ity amin’izao fotoana izao dia tsy inona fa ny fahantrana. Miverina amin’ny adihevitra nambara teny am-piandohana ihany koa dia ny hoe fa maninona no tsy henoheno nitsikera loatra ny mpanohitra ny mpitondra sy ny mpiaradia aminy tao ho ao? Tonga saina ihany ve fa diso ny filazana hoe tsy nanolotra vahaolana mihitsy ny mpanohitra fa nitsikera mpitondra fotsiny? Tsy avy amin’ny mpanohitra tokoa ve moa ny fanolorana ny vahaolana tahaka ny hoe ampiasao araka ny tokony ho izy, ohatra, i Tsimiroro? Toy izany koa ny hoe ataovy ara-drariny ny fitantanana ireo harem-pirenena na ampiasao ireo andramena miantsona fotsiny ao? Tsy avy amin’ny mpanohitra ve ny vahaolana hoe jereo aloha ny sosialim-bahoaka fa tsy ny rendrarendra mandany vola toy ny teleferika sy kianja manara-penitra izay matetika tsy misy mampiasa foana no atao laharam-pahamehana? Misavovona ankehitriny ny vahaolana saingy hatramin’izao izany isika dia miandry finiavana avy amin’ny mpanatanteraka foana hanatontosa azy ireny. Miandry finiavana e !
J. Mirija 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap