airtel

Edito

07-juin-2024

Miandry ny tohiny

Tonga indray ity, hoy ny mpanara-baovao, ny fivorivoriana arahana fanambarana.

Sample post image

Tsy miafina tokoa fa dia niaraha-naheno tao aorian’ireny tsy nisy na inona na inona hitan’ireo

07-juin-2024

mpitazana ho nitohy tao aorian’ny tolon’ny kandida miisa 11 nandritry ny zotram-pifidianana filoham-pirenena farany teo ireny ny hoe «toa vitavita ho azy ilay tolona?». Neverina tamin’ireny fotoana ireny anefa fa tena antony faran’izay goavana no nanaovan’izy ireo ilay fitakiana dia ny hoe tsy fanekena olona tsy malagasy intsony mbola hirotsaka ho filoham-pirenena ihany, ankoatran’ny hoe aoka aloha fa mbola tsy madio ny tokontany! Nandeha moa taty aoriana ny fanazavana samihafa mikasika ny hoe aleo atao tsy maninona ireny satria tsy afaka handevin-tsotrobe lava izao dia io nandray anjara tamin’ny fifidianana solombavambahoaka io ihany. Samy nilaza ny fihetseham-pony daholo indray tokoa tetsy amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola omaly ary niezaka nanome ny fanazavana rehetra sy nampahafantatra ankapobeny ny fisian’ireo porofo an-tanan’ny mpanohitra izay maneho fa ny avy amin’ny fitondram-panjakana no nanao hosoka sy hala-bato nandritr’iny fifidianana farany teo iny. Manomboka ve sa mitohy ny savorovoro no azo ilazana azy, raha ny mikasika ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana teto amin’ny firenena hatramin’izay naha repoblika antsika izay ka hatramin’izao? Ireo mpanohitra nilaza ny tsy hanaiky lembenana intsony omaly ve no antenaina hamadika ny pejin’izany heverina fa tantara ratsin’ny firenena izany? Nanomboka iny moa ny fivoriana. Hitohy amina fivoriana hatrany ve izany sa hitohy amina zavatra hafa? Hatraiza no fetran’ny fampitandreman’ilay heverina hoe lehiben’ny mpanohitra na filohan’ny mpanohitra na dia mbola tsy naha tafapetraka ny toerany ao amin’ny antenimieram-pirenena hatramin’izao aza? Mbola ho toy izay hita tao anatin’ny 5 taona izay ihany ve ilay nambaran’ny mpanohitra hoe tsy hanaiky intsony sa hanao ahoana ny tohiny? Miandry tokoa moa izany amin’izao fotoana izao ny olompirenena sy mpanara-baovao. Miandry ny tohiny!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap