ka manan-kery io amin'ny zavatra maro, ka anisan'izany ny fiainam-pirenena sy ny politika. Betsaka loatra mantsy ny kiafinafina politika eto, maro ny endrika fanabadoana ny vahoaka, tafahoatra ny tsikombakomba politika entina hanaovana lafika sy tohatra fiakarana ny Malagasy,... Moa ve tsy niainga tamin'ny famotsipotserana ny marina na "vérité" ny Afrikanina Tatsimo vao tonga tamin'ny fihavanana na "Réconciliation" ka sao izao no fotoanany ary hanomboka eto ny fanovana?Betsaka ny fanovana mila entina satria matoa miha resy hatrany tahaka izao ny Firenena, matoa miha mitotongana ny fitantanana, matoa miakatra hatrany ny daozin'ny famotehana ataon'ny mpitondra,... dia mila miaraka manaiky fa tsy nahomby izany ny arofanina napetraky ny fanoherana, tsy manana tahotra amin'ny mpanohitra ny mpitondra,... Sao sanatria sinema sy filalaovana politika hahazoana tombotsoa mihoampampana ihany koa no betsaka ? Mila potserina ny marina hoe: Iza no nanao inona ary inona no tena marina ? Tsy sanatria hifampipala sy hifanontsana na hamboly fankahalana eto fa kosa fotoana izao hamotsipotserana ny tsy mety sy endrika famitahana hatrany ny Malagasy, hanokafana ny sain'ny rehetra satria betsaka no mety tsy faly amin'ny hihiratan'ny saina sy ny mason'ny vahoaka, betsaka ny sosotra rehefa vina sy tsangan-kevitra hisintona miakatra ny mpiara-belona, betsaka no sosotra rehefa misy olona manabe ny vahoaka tsy mizara trondro fa mizara fintana, betsaka no manangam-pahavalo ka mampirefarefa ny fanaovana politika eto ka rehefa tsy izy sy tsy azy dia fahavalo ka mila kapaina ka lasa mandrora ny tsy maimbo,... ka sao mba hakarina amin'izay ny lentan'ilay fanaovana politika ka atomboka eto ny fanovana ary ny tena soa iombonana no iaraha-mijery e?
Toky R
Ny andraikitra natao ho tanjon’ireo kandida tsirairay fotsiny no niova fa raha ny fomba fanao hita