hainao akory ny mampiasa azy araka ny tokony ho izy. Anatra nataona mpandinika iray izay lasa manohana ny fitondràna ankehitriny izany ary mazava ho azy moa izany fa tena nahagaga ny antony nijoroan-dranamana hanohana izao fitondràna izao ankehitriny. Naman’ny natsipy teny am-baravarakely iny ny 77 tapitrisa Dolara nanitarana ny kianjaben’i Mahamasina hoe mba ho tonga manara-penitra. In-3 niantaona izy ity tsy nety nahazo fankatoavana satria samy manana ny atao hoe manara-penitrany ny rafitra iraisampirenena toy ny kaofederasionina afrikanin’ny baolina kitra na CAF sy ny fitondràna Rajoelina. Tezitra ny tandapa sasany rehefa manontany ny vahoaka madinika hoe hihinanam-bary ve io sy itony teleferika miantona eto Antananarivo eto itony fotsiny? Tena tsy hihinanam-bary ara-bakiteny tokoa tsinona ilay izy no voaporofo hatreto fa tsy mbola nisy nety nitondra soa ho an’ny fiarahamonina malagasy aloha. Nampiditra ohatrinona tanaty kitapom-bolam-panjakàna ireo sy ny fotodrafitrasa hafa efa tafatsangana hatramin’ny tetezamita 2009-2013? EPP manara-penitra, araka ny famaritan’izao fitondràna izao azy, hopitaly manara-penitra, lisea manara-penitra, fonenana manara-penitra sy izay lazaina fa manara-penitra hafa rehetra, inona no fandrosoana nentin’izany teo amin’ny fari-piainan’ny vahoaka malagasy no ankehitriny lasa voafaritra ho firenena faran’ny mahantra isika ary 30%n’ny mponina no voalaza fa hiharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka? Voamarina manoloana ny toe-draharaha ankehitriny tokoa ny nambaran’ilay mpandinika hoe mila mianatra isika mianakavy. Tsy ny vahoaka malagasy ihany fa ny mpitondra indrindra koa. Mila mianatra hoe inona no atao hoe marina moa ity atao hoe fandrosoana ity? Asa! Mila ianarana koa angamba hoe inona no atao hoe malagasy? Inona no tena andrasan’io malagasy io amin’ny mpitondra azy? Mila mianatra!
J. Mirija
misy fetrany ny fahefana, misy fetrany ny vola,… Tsy misy hiasa maina, ary tsy misy hiasa maina,
misy fetrany ny fahefana, misy fetrany ny vola,… Tsy misy hiasa maina, ary tsy misy hiasa maina,