airtel

Edito

10-juil-2024

Mila resena ny fampahantrana manara-penitra !

Firenena faha-44 maneran-tany,

Sample post image

ary faharoa aty Afrika aorian’i Maurice i Madagasikara

10-juil-2024

amin’ny lafiny fitoniana sy filaminana, araka ny tatitry ny IEP (Institute for Economics and Peace) vao herinandro teo izay. Mason-tsivana 3 no nandrefesana an’io dia ny fiarovana sy filaminana, ady mandeha, ary ny lafiny ara-miaramila sy fitaovam-piadiana. Ny zava-misy tokoa raha tarafina amin’ny fiainana ara-politika sy ny fiainana andavanandro indrindra fa ara-tsosialy sy ara-toekerana dia tony sy milamina hatrany ny Malagasy na inona na inona mitranga. Tena ny Malagasy no tony sy milamina sa mahomby ny famoretana sy fanabadoana fa indrindra ny fampahantrana amin’ny endriny maro mba hampalemy azy ? Ny fandinihan’ny manam-pahaizana rahateo, dia maneho fa raha tiana hangina sy hifitsaka ny vahoaka dia na atao maty voky na atao maty noana. Betsaka ireo zavatra mandiso fanantenana vahoaka, ka vao mainka mampiraviravy tànana azy, raha tsy hilaza afatsy io resaka ara-pifidianana io : fanodinkondinana ny safidiny, fivadiham-pitokisana ataon’ireo olona nofidiana, fampanantenana poakaty lava ataon’ny mpitondra, tsy fijerena ny tena mahasoa ny vahoaka,… Zary lasa fonjabe mitafo lanitra i Madagasikara satria ny basy aman-tafondro no mirangaranga rehefa misy ny fijoroana enti-manohitra ny tsy fahombiazan’ny mpitondra, ary fitadiavana fahamarinan-toerana ara-politika mifototra amin’ny kajikajy maloto no eto fa tsy amin’ny alalan’ny fijerena izay tena mahasoa ny vahoaka ka hananany fahatokisana sy hanohanany ny mpitondra. Ny kolikoly, tsy maty manota, afera maloto, trafikana harem-pirenena, fandrobana mivantana na ankolaka ny harem-pirenena,… no zary lasa mahazo laka, ary matetika dia manam-pahefana na mpitondra ambony, eny fa ireo mba nofidiana ho solombavambahoaka mihitsy no voatonontonona. Dia tena hoe : safidin’ny Malagasy ve ny hiaina an’izao sy hangina eo anatrehan’ireny ? Sahirana mitady ny hoanina anio tadiavina rahampitso ny maro an’isa, ary lasa malaindai-fonosona noho ny zava-misy. Atao izay haharesy tsy miady ny Malagasy mba hahafahana mitsikombakomba sy manjakazaka amin’ny fandrobana firenena,… Vao mainka anefa ho resy ny Malagasy raha hinia hiraviravy tànana lava ary vao mainka hanome vahana ny ratsy, fa mila vahoaka mijoro sy mitraka, ary mipetraka ho olom-pirenena tena tompon’ny fahefana afaka hanova an’i Madagasikara. Isika rehetra no hery sy harena voalohany andrandrain’ny Firenena hanafaka azy !
Toky R


 

Dans la même rubrique

18-déc-2024

ny filoham-pirenena na ireo mpanaradia sasany izao fitondràna izao! Samy gaga

Card image cap