hoy ny filohan’ny antoko politika Tia tanindrazana sady ben’ny tanànan’Antananarivo, Tahina Razafinjoelina. Tsy mila mihaino ny tohin’ny fanazavàna tamin’ny fotoana niresahany an’izany akory ianao dia efa nanongo tena angamba. Mety nisy lasa nitokana naka efitra iray samirery mihitsy aloha hoe ahoana tokoa moa izany atao hoe «épicerie»? Inona na inona avy no ao anatin’izany dia inona tokoa moa no ilaina rehefa hitantana an’izany? Eo izany ianao dia efa tonga saina hoe io «épicerie», araka ny fiantsoana azy amin’ny teny malagasy hoe toera-pivarotana enta-madinika dia enta-madinika amin’ilay antsoina mahazatra hoe filàna andavan’andro na PPN amin’ny ankapobeny no misy ao. Rehefa misy siramamy, vary, kafé, borosy nify, raha any ambanivohitra izy dia mety hiampy kely hoe solitany na «pétrole» kely maivaimaivana eny. Ahitana an’izay izany dia efa azo antsoina hoe mpivarotra enta-madinika ary dia mionona amin’izay antsoina hoe enta-madinika izay tokoa moa izany. Ny mpivarotra ampandraiketana ny tsena eo dia mahalala ny vidin’ireo entana efa ao ary efa mahalala tsianjery ny mpanjifa sy ny entana fividiny ihany koa. Rehefa hita mipoitra avy any Raleva dia efa avoaka ny kafé. Rehefa iny tazana iny ramatoa rangory dia efa tonga dia lanjaina ny vary gasy 1 kilao. Afarana ihany koa ny solitany 500 Ariary. Mipoitra i Lita kely dia efa hoe nirahan’ny dadany hividy sigara iny. Vao misy fiovana io entana amidy io na ny mpanjifa mandalo eo dia efa mety ampy hampivadika ny atidohan’ilay nampandraiketana ilay tsena izay. Efa raikitra ny antsoantso be miantefa any ambadiky ny efitra rehetra any hoe ohatranona moa ilay izao na izao? Dia io 15 taona nitondrana tsy mahita vahaolana momba ny rano ankoatran’ny Bombonina sy siterina io amin’izao fotoana izao ny fitondram-panjakàna ankehitriny. Mandany 300 tapitrisa Ariary, mandrombina ampaham-bola amin’ny minisitera rehetra saingy ny vahaolana hitany mikasika ny delestazy izany dia tsy misy afa-tsy izay hatrany hatreto hoe ampiana ny solika, ampiana ny famatsiana herinaratra. Mba manoro daholo ihany ity karazana manam-pahaizana rehetra ity hoe ampiasao araka ny tokony ho izy amin’izay ity Tsimiroro sy Bemolanga fa mampametra-panontaniana hoe tena sanatria tsy hainy ve sa misy antony hafa? Manoro ny olona hoe tahaka izao no tena famoronana indostria na famoronana asa saingy hopitaly sy EPP na Oniversite lazaina fa manara-penitra hatramin’ny orinasa mpamokatra fanafody toy ny Pharmalagasy izay tsy hita mazava hoe ahoana marina no tena fiodiny amin’izao fotoana izao no miseho lany hatrany. Lazaina fa nahavita namorona asa maro ilay fitondràna saingy ny firenena ity vao mainka miha mahantra hatrany. Vao omaly izao ny komity iombonan’ny mpiasa no nanamafy fa tsy miodina intsony ilay toekarena eto amin’ny tanàna satria kay izany dia io iaraha-mahita io. Efa mionona amin’ny enta-madinika!
J. Mirija
Firenena ity fa tsy afaka sy tsy azo ianteherana amin’ny vahiny.
no tsy tonga teny amin’ireo biraom-pifidianana nandeha naneho ny safidiny tao anatin’ireo fifidianana nifandimby