airtel

Edito

09-oct-2024

Mitaraina ny tany! Mila rivo-baovao!

Mitaraina ara-bakiteny ny tany sy

Sample post image

mponina ato anatiny rehefa zohiana amin'izao zava-misy izao.

09-oct-2024

Efa tsy mitaraina intsony fa efa tena mandohalika amin'ny tany sy samy mitondra ny kapoaka mangidiny avy: delestazy, tsy fananan'asa, fahantrana mandifotr'olona, tsy fandriam-pahalemana, findangan'ny vidim-piainana. Hain'ny mpitondra antsika manome lesona ny vazaha ka milaza fa mamono ankizy 3 tapitrisa isan-taona aty Afrika ny mosary, tsy ampy ny vola hiatrehana azy kanefa ny Tandrefana mandany 200 miliara dolara hanaovana ady. Tsapany izany, hainy ny mitatasika araka ny fitenin'ny tanora amin'ny hoe: fandaniana vola be amin'ny zavatra tsy mamokatra kanefa ny azy ny teleferika hitrosana vola tsy toko tsy forohana kanefa tsy mitondra inona firy amin'ny fiainam-bahoaka, ny kianja nandaniana volabe kanefa tsy azo ilaolavana fa mandady manofa kianjan'olona any ivelany. Ny fijerena ny tena laharam-pahamehana ho an'ny vahoaka moa tsy misy, fa serasera sy fampanantenana mandavan-taona satria tsy niomana tamin'ny vinam-piarahamonina mifandraika amin'ny Malagasy sy ny filany noho ny fahazarana mampanonofy. Raikitra indray io ny fifidianana eny ifotony, dia mbola hoentina amin'ny fampanantenana manidintsidina? Mbola handeha amin'ny kitsapatsapa ara-pitantana sy hanompo tsangan'olona lava? Hanao sorona firenena amin'ny fanamafisana ny lonilony sy adilahy noho hambo-po manokana na kakay politika diso toerana? Tena ampy kosa izay e! Mila rivo-baovao ny Firenena !
Toky R 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap