airtel

Edito

24-sept-2024

Mpitondra firenena sa mpitondra seza?

Fanontaniana matetika niverimberina teto, nisy fotoana, ny hoe

Sample post image

mbola misy mpitondra ve eto?» na koa hoe «mbola misy mpitondra ve ity firenena ity?».

24-sept-2024

Mazava ho azy fa rehefa mipetraka izay fanontaniana izay dia ilay mpitondra tena hita ho mikatsaka ny fampandrosoana ilay firenena sy izay mampety ny vahoaka ao anatin’ilay firenena izay no tiana ambara. Mpitondra tena mikatsaka izay hanasoa ny firenena sy ny vahoaka ao aminy fa tsy sanatria tsy manan-tsaina afa-tsy ny hanasazy vahoaka tahaka izay ataon’ny JIRAMA, izay eo ambany fiadidian’ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo amin’izao fotoana izao. Izy efa faran’izay tsy mahafa-po indrindra ny mpanjifany indray no tsy menatra mbola manasazy izany mpanjifany izany amin’ny fampiakarana faktiora. Mpitondra tena manao politika amin’ny famaritana tena izy izany atao hoe «politika» izany dia ny hoe mitantana, mandrindra, mihevitra sy manatanteraka izay mahasoa ilay firenena fa tsy sanatria tsy manana heritreritra afa-tsy ny hitady izay fomba hanomezana sazy ara-pitsaràna ity rehetra sahy maneho ny heviny amin’ny karazana haino vaky jery ary tambazotra isan-karazany eto amin’ity firenena ity. Mpitondra firenena sa mpitondra seza? Mpitondra tena mitady sy mikatsaka ny vahaolana rehetra na ara-tsosialy io na toekarena na fanatanjahantena na fandriampahalemana na kolontsaina ary ny sehatra rehetra misy eto amin’ny firenena ve ireo mipetraka amin’ny toerany ao anaty governemanta malagasy amin’izao fotoana izao ireo sa mpitondra miaro ny toerana azony fotsiny ihany mba tsy ho votsitra fa hiha tsara kokoa sy lavitra mihitsy aza? Mpitondra firenena sa mpitondra seza no azo ilazana ireo mitantana ny firenena ankehitriny? Izay izao no fanontaniana mipetraka.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap