fitondrana izay mpitondra rehetra nifandimby teo izany isaky ny miakatra fandaharana na maneho hevitra amin’ny haino vaky jery izy ireo. Tamin’ireo rehetra nandalo angamba, na dia atao hoe nandritry ny 26 taona aza no nitanan’izany Amiraly Didier Ratsiraka izany ny fitondrana an’ity Madagasikara ity talohan’ny taona 2002, dia mbola ity fitondrana ankehitriny ity ihany no matetika nahenoana fananarana miantefa aminy betsaka indrindra tamin’ny alalan’ny famerenana izany fehezanteny izany. Tonga ny rivodoza dia mahagaga fa toy ny tampoka tamin’ilay fitondrana foana ny miatrika azy. Ohatran’ny hoe izay vao nisy rivodoza hatramin’izay nisian’izany repoblika malagasy izany. Tonga ny haintany sy tsy fisian-drano dia toy izany ihany koa. Raha tsy nisy ity tale jeneralin’ny JIRAMA vaovao ity izany dia tsy nisy ny niheritreritra izany hoe hanao DAM izany. Mbola heritreritra rahateo koa aza moa izany hatreto fa dia andrasana toy ny fampanantenana rehetra heno tao anatin’izao fitondrana izao koa ny fanatanterahana azy. Ny filoham-pirenena teo aloha nanome ny sosokevitra aza natao fihomehezana tamin’ny fotoan’androny. Nalaza ho tonga tampoka tsy nisy niomana haka fitondrana avokoa ireo mpitondra nifandimby ary isan’izany ny ankehitriny. Tsaroana tokoa tsinona fa ny raharaha 2009 no nahatafakatra ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, voalohany teo. Nambara ho naneho fahendrena nandritry ny 4 taona izy talohan’ny fifidianana filohan’ny repoblika 2018 satria hoe namolavola izany IEM izany tany Frantsa tany ary ry zareo frantsay rahateo moa no nampahafantarina izany voalohany. Samy nametra-panontaniana mikasika ny anton’izany tamin’ny fotoana androny ny mpanara-baovao ary nisy valinteny nipoitra avy eo taty amin’ny taona 2023 nanao hoe efa tsy malagasy intsony kay izy ity fa efa niofo ho frantsay tamin’ny alalan’ny antsoina hoe fampiofoana na «naturalisation» ka tsy tokony hanana karapanondro malagasy intsony. Anaty fononteny moa iny fa ny fanontaniana manitikitika ny maro izany izao dia ny hoe na dia tsy niomana tahaka ny inona aza ve haka izany fitondrana izany hatramin’izay dia tsy afaka ny nisoroka ireny krizy lasa sy izao krizy lalovan’ny firenena ankehitriny izao mihitsy? Tsy afaka nijery izay hisorohana ny tsy haha banky ropotra ny Air Madagascar ve na ny Kraomita malagasy? Tsy afaka ny nisoroka ny tsy hahatongavan’ny JIRAMA amin’izao toerana misy azy ankehitriny izao ve? Tsy afaka ny nahita tetibola hafa ho alaina ankoatran’ny any amin’ny resaka fampianarana sy fanabeazana ve hamahana ny olan’ny herinaratra eto Antananarivo fotsiny? Mbola Antananarivo fotsiny koa aza izany eto no resaka fa raha hiresaka vahaolana ho an’i Madagasikara iraimanontolo mihitsy izany dia ahoana?
J. Mirija
Ny andraikitra natao ho tanjon’ireo kandida tsirairay fotsiny no niova fa raha ny fomba fanao hita
ny fifidianana ben’ny tanàna isika manomboka anio. Vanim-potoana miavaka amin’ny