Tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona, hoy ny fomba fiteny nampianarin’ny filoham-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao izay fony izy handray fahefana tamin’ny maha filohan’ny repoblika azy voalohany. Nisy tamin’ireo malagasy mihitsy no lasa nanandram-bavaka hoe enga anie io rivodoza io ho tafiditra mba hitondra orana! Iny niaraha-nahita iny tokoa fa dia maro tamin’ireo faritra teto amin’ny nosy, indrindra, teto afovoan-tany, no tamin’iny fotoana iny vao mba nandray izany atao hoe rotsak’orana izany. Mafy izay faharotehana vokatry ny dorotanety sy teviala izay. Mafy izay fotoana tsy nisian’ny hamandoana nandalo ny tany izay. Ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fahoriana amin’ny endrika tsy fahandriampahalemana maro samihafa efa mampikaikaika, saika isan’andro. Toy izany koa ny olan’ny JIRAMA sy ny olana hafa rehetra efa zary lasa nahazatra ny malagasy tao anatin’izay 15 taona mahery izay. Mba niaina kely aloha ny zavaboary na dia rivodoza aza no nandalo. Inoana fa nahazo aina kely koa ny vokatra hany mba azo antenaina ho fihinana eny an-tsaha hiantoka ity taona 2025 ity. Tonga amin’ilay fomba fiteny hoe ny fahorian’ny sasany no lasa fifalian’ny hafa. Tranga izay samy tsy nisy norariana amin’ny maha malagasy mpandala ny fihavanana hatramin’izay izany rehetra izany fa ankehitriny anefa dia maro ireo malagasy hita ho voatery niandrandra orana tamin’ny alalan’ny fandalovan’ny rivodoza. Voatery mihitsy naniry loza na dia iaraha-mahalala koa aza, etsy ankilan’izay, fa traboina ireo mpiray tanindrazana any amin’iny tapany avaratra andrefan’ny nosy sy izay nandalovan’ilay rivodoza iny. Lasa ny loza izany ankehitriny no zary hanantenana fitahiana sy fahasoavana eto amin’ity firenena ity. Mampametra-panontaniana hoe firenena mankaiza loatra? Asa hoe hanao ahoana indray koa izany izao ny fomba hitantanan’izao fitondràm-panjakana izao izany famonjena ireo traboina amin’ity taona ity izany manoloana ireo olana hafa marobe tsy mbola voavahany hatramin’izao? Efa niomana indray ve sa mbola tsy hanova ny fanazavany hatramin’izay?
J. Mirija
Firenena, tsy misy firenena vanona ao anatin’ny fahalovana,