maheno ny fifampiresahan’ny mpiara-monina, nahita ny fahamaroan’ireo olompirenena kamo nandray anjara tamin’ny fifidianana nifanesy tato ho ato, izay rehefa naravina ny fanehoan-keviny dia toa te hiteny hoe efa tsy hiova mihitsy fa ho be marenina lava, ny ataony ihany no ho ataony, indrindra, ireto mpitondra eto amin’ny firenena ireo dia lasa ny saina. Ankehitriny izany dia ny lohany indray no tsy tonga saina hoe efa tsy mandeha amin’izay laoniny intsony anie ity toe-draharaha eto amin’ny firenena ity! Atao daholo ity fihetsiketsehana rehetra ity. Mandeha ny fidinana ifotony lazaina fa tampotampoka ataon’ilay filoham-pirenena any amin’ny faritra. Misy hatreny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato izany. Nisy fotoana hoe nihaona tamin’ny mpanao gazety rehetra dia nampanantena hampisy izany isam-bolana ary ho ampifandimbiasina mihitsy ny avy amin’ny heverina hoe firehana samihafa na ny marimarina kokoa zotran-dahatsoratra samihafa hihatrika izany saingy efa ela no ririnin-dasa tsy tsaroana izany. Fampanantenana nataona filoham-pirenena izao nefa. Inona moa fa tsy mitovy tamin’ireo kobaka am-bava samihafa efa natao mikasika ny olan’ny JIRAMA ihany? Tsy nitovy tamin’ny Fly Over ihany ve na io Teleferika mikatso io? Aiza ihany ilay Tanamasoandro sy ny fahavitan’ireo lalam-pirenena no lasa faran’ny mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ilay firenena? Iny indray koa izany ny heverina hoe fihetsiketsehana na «geste» sy «style» vaovao fa nalefa mivantana tamin’ny haino aman-jerim-panjakàna ny filankevitry ny minisitra. Tsy hay hoe hitondra inona indray fa dia resahina foana moa ity fametrahana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro atsy sy aroa ity? Tany aloha noresahina ny 400 sy 300 Megawatt mahery sy ny tariny dia iny indray fa noresahina ny 5 Megawatt tsirairay avy sy ny 50 Megawatt dia miara-miandry izay ho tohiny eto indray moa!
J. Mirija
manaraka izany ny fiainam-bahoaka ankehitriny. Samy manana ny manahirana azy ny vahoaka entina sy ny mpitondra.