airtel

Edito

11-sept-2024

Politika mivaralila !

Betsaka ny sary sy tranga ara-politika mety hiseho amin’izao fotoana izao.

Sample post image

Ny mpinamana omaly mety hisara-dàlana anio, ny mpifanandrina mety hampitovy tadin-dokanga,…

11-sept-2024

Ny hany fanontaniana mipetraka kosa dia ny hoe : ho an’ny tombotsoam-bahoaka sa tombotsoan’antoko na filohan’antoko ? Toa efa zary kolontsaina politika novoizina teto rahateo mantsy ny hoe : rehefa tsy misy ny tsy fitovian-kevitra ao anaty antoko na vondrona iray dia sokajiana ho mpamadika. Zary sary politika fahita eto ny lehibe tsy mba meloka, fijerena arina an-tava ka arahana amin’ny onjany ny mpitantana ambony eo amin’ny firenena na eo amin’ny antoko mety ho sokajiana matanjaka,… Zary tsy ny vinam-piarahamonina sy ny programam-pampandrosoana intsony no mason-tsivana amin’ny fifidianana fa ny politikan’ny ratsy tarehy mangata-bady ka ny anaran-dRay no enti-mangataka. Mandeha ny fampitenenana anaran’olona, raha tsy hilaza afatsy ny fampiasana ny anaran’ny filoham-pirenena ankehitriny izay natao fitaovana hatrany tamin’ireo fifidianana nisy. Mety ho tafiditr’io viriosy politika ihany koa ny avy amin’ny fanoherana, ary betsaka ny mpanara-dia politika voataiza amin’ny zavatra tahaka izany. Zary lasa miova sy miofo ho fanompoana tsangan’olona ilay politika avy eo ka na mety na tsy mety ny ataon’ny mpitarika dia mila hobiana sy tompoina hatrany. Betsaka no manaraka an-jambany ka na inona na mety na inona tsy mety ataon’ireo mpitarika, dia mila tehafana, ary mety ho ny finiavana hikipy amin’ny mety efa lesoka sy fahalemena politika avy amin’ireo mpanaraka aza no mety hiteraka fahatokisan-tena diso tafahoatra sy fanapahan-kevitra diso. Dia mandeha ho azy ohatran’ny kiraron’i Beminahy eny fitantanana ny firenena sy ny fanaovana politika, fa tsy misy mpanitsy sy mpamerin-doha intsony !
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-sept-2024

raharaham-pirenena ny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna ho avy io.

Card image cap
12-sept-2024

Herinandro izay no lasa tamin’ny fe-potoana ahafahan’ireo kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly

Card image cap