airtel

Edito

03-déc-2024

Ry Malagasy, voay ny fonao !

Ny Malagasy no afaka hanarina ity

Sample post image

Firenena ity fa tsy afaka sy tsy azo ianteherana amin’ny vahiny.

03-déc-2024

Mila fiaraha-mientana sy fitiavana ary fahatsapana fa tena manana adidy ny isam-batan’olona, ka izay no hiantsoana ny Malagasy amin’ilay hoe : « Voay ny fonao ». Tsy afaka miandry ny hoe : inona no mba hoentin’ny Firenena ho ahy fa ny tsirairay no tokony handinika sy hijery ankehitriny hoe : inona no azoko hatao ny Firenena ? Betsaka ny fahapotehana misy ankehitriny na ny hita maso na ny tsy hita maso, na ny ara-materialy na ny ara-toe-tsaina,… Henjana ny fanarenana, ary tena mila fanovana amin’ny endriny maro, mila Malagasy mifanampy, mifanohana, mifampisintona miakatra, mifanohana,… Vao mainka hiha potika isika raha mbola hifanenjika sy hanaiky hohabadoin’ny mpanao politika lava eto. Tena mila misokatra ny saina sy ny mason’ny Malagasy manoloana ny zava-misy satria mety mbola mitoetra ny politikan’ny fanjahana, ny politikan’ny fanabadoana, ny fampiadiana, ny fampifandrafiana,… Misy ny ampahan’olona na vondron’olona tsy faly amin’ny hivoaran’ny isam-batan’olona satria te hanao tohatra fiakarana lava ny valalabemandry, satriny ho jamba sy matory mandrakariva ka manaiky izay atao azy sy ampanaovina azy fa tsy hijery lavitra sy handinika kokoa. Izay no hanentanana hatrany ny olom-pirenena sady fanabeazana ara-politika mba hahatonga ny tsirairay ho tompon’andraikitra, hahatsapany ny tena lanjany eo amin’ny Firenena, hahafantarany fa ilaina izy ary anisan’ny afaka miara-manova ity firenena ity mba hivoaran’ny isam-batan’olona,… fa tsy sanatria ho toy ny valala voatango ka hanaiky lembenana ny fandemen-tsaina tahaka ny hoe : izahay anie na mifidy na tsy mifidy efa ry anona sy ry ranona foana no lany eo e ! Faharesena mialohan’ny fotoana ny fahakiviana, ary tsy mbola nitondra vahaolana ny firaviravizana tanana, koa alao hery ary, mandehana mifidy, mifidiana amin’ny saina mandinika sy mijery lavitra fa aza manaiky holalaovina amin’ny politikan’ny fanabadoana lava eto. Mila antsika ny Firenena, mila an’ireo vahoaka nezahina nokiviana hiraviravy tànana hatramin’izay mba handray andraikitra. Tonga ny fotoana hijoroana, hiarahana manova satria miara-dia vao mandresy fa tsy mandresy vao miara-dia !
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-déc-2024

no tsy tonga teny amin’ireo biraom-pifidianana nandeha naneho ny safidiny tao anatin’ireo fifidianana nifandimby

Card image cap