airtel

Edito

18-sept-2024

Sao dia mba efa ampy izay e ?

Todihana ny lasa dia banjinina ny ho avy mba hahafahana manatsara kokoa hatrany !

Sample post image

Azo ampiharina io amin’ny lafin-javatra maro io, indrindra fa ny fitondrana sy fandrindrana ny fiainana ho avy,

18-sept-2024

ary tahaka izany ihany koa ny raharaham-pirenena. Hatreto, raha ny politika no resahana dia mijanona eo amin’ny fifanandrinana sy fifamelezana eo amin’ny olon-droa na vondron-kery roa ny sary. Takon’izay ny zavatra maro raha jerena amin’io vanim-potoana mialohan’ny fifidianana io. Tena dridrangilo, ary miakatra ny daozin’ny fifamelezana, miahamafy ny ady ara-tserasera,… Dia samy mandrirotra araka izay tombotsoany eo avy. Ny ankilany tsy mifendro, ary tsy misy an-kihaino izay feon’ny fieritreretana any fa tena manao baolina an-kamely, ara-bakiteny. Tsy miraharaha kiana, tsy miraharaha izay resaka lalàna any, fa ny zava-dehibe dia mila alavo ny mpifanandrina na inona na inona fomba hamelezana azy. Asa izay tokoa ve no atao hoe : politika avo lenta sa politika mirefarefa ? Efa tonga hatrany amin’ny fandranitana hitroatra, saingy mailo ihany koa ny andaniny tsy ho tafiditra ao anaty vela-pandrika. Voizina ny hoe : tsy tokony hokorontanina intsony ny Firenena, kanefa ny setrasetra politika, ny fitantanana ny firenena,… tsy misy mandeha amin’ny laoniny, ary tena mampitroatra vahoaka. Ny andaniny ihany koa moa mety efa nahazo lesona fa tsy vahaolana ny mitroatra, kanefa handefitra ao anatin’ny firipolo taona dia hanao inona ? Tena very hevitra sy tapi-dalan-kaleha hihoarana amin’ny zava-misy ve ka reraka am-pitoerana hatramin’ny mpanara-dia ? Dia miodinkodina amin’ny serasera eo, samy milaza izay tiany lazaina, samy mamely izay voany,… fa ny firenena miha milentika ihany. Dia asa re hoe : rahoviana no ho tonga ny fahatsapana sy fihaikena fa tena ampy izay ny lalan-diso samihafa na avy amin’iza na avy amin’iza, nisy sy misy ny zavatra tsy mety, betsaka ny tokony hahitsy, maro ny heloka mila hekena sy tsy haverina intsony,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap